Fampidirana

Introduction

                                                                                                   

Ny tanjona dia ny mba hizarana fahalalana hoan’ireo Vondrona Mpanabe mikasika ny tontolo maha olona sy ny fitsipiky ny fiainana hahafahana manatsara ny fanabeazana hoan’ny tanora momba ny fitiavana sy ny mahalahy-mahavavy

Notre but est de donner aux éducateurs une connaissance sur « l’écologie humaine » et la « grammaire de la vie »  pour qu’ils puissent s’en servir pour améliorer l’enseignement qu’ils donnent aux jeunes sur l’amour et la sexualité.

 

Maro amin'ny andalan-tsoratra aseho eto no naliana avy tamin'ny boky mitondra ny lohateny hoe: « Appelés à aimer. Decouvrir la Théologie du corps de Jean-Paul II » nosoratan’I Carl Anderson sy José Granados.

De nombreux textes présentés ici sont inspirés du livre  intitulé "Appelés à aimer. Découvrir la Théologie du Corps de Jean-Paul II " écrit par Carl Anderson and Jose Granados

 

Haitontolo iainan’ny olombelona

Ecologie humaine

Ny mahasarika antsika ankehitriny dia ny fiarovana ny fonenana ara-boajanaharin’ireo karazam-biby samihafa fa zara raha hita ny fiarovana ny “ haitontolo iainan’ny olombelona  tena izy”.

Joany Paoly II Centesimus annus, 38

"Alors que l'on se préoccupe à juste titre de sauvegarder les habitats naturels des différentes espèces animales, on s'engage trop peu dans la sauvegarde des conditions morales d'une « écologie humaine» authentique." Jean-Paul II Centesimus annus, 38

                                                                                                   

Fitsipiky ny fiainana

Grammaire de la vie

Anjakantsika ny zava-boaary (...) fanomezana avy amin’ny Mpahary(…)Izao tontolo izao dia asa maha te hidera avy amin’Andriamanitra izay mitondra ao anatiny ny fitsipika manambara fa misy ny fiafarany sy ny fepetra mba hampiasana azy amim-pahendrena fa tsy hatao tantely afa-drakotra

(Caritas in veritatea, 48)

La nature est à notre disposition [..] comme un don du Créateur. [..] Le milieu naturel [..] est l’œuvre admirable du Créateur, portant en soi une «grammaire» qui indique une finalité et des critères pour qu’il soit utilisé avec sagesse et non pas exploité de manière arbitraire (Caritas in Veritatae, 48).

Ny fiarahamonina dia tsy afa-miala amin’izany fitsipika izany.Ny  fihetsika sy ny fomba fijerin’ny Ray aman-dreny  no hianaran’ny zaza alohan’ny rehetra (ny atao mahasarika)

(hafatry Benoit XVI Fankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny Fandriampahalemana)

 

"la société ne peut pas (ne doit pas) perdre la référence à cette «grammaire» que tout enfant apprend des gestes et des regards de sa mère et de son père, avant même que de l'apprendre de leurs paroles."

(Message de Benoît XVI pour la célébration de la journée mondiale de la paix 1er Janvier 2008)

                                                                          

Ny Fanabeazana ara-pitiavana ny fitsipiny ary ny famahavahana azy

Education à l’amour, sa grammaire et sa syntaxe

Tsikaritra ny fisehon’ny tsy fahaiza-mitia, izay mitombo isan’andro eo amin’ny taranaka ankehitriny Araka ny fanadihadiana natao vao tsy ela akory, dia hita fa ny tanora dia manana teny vaovao mikasika ny fihetseham-po sy ny fitiavana ( Livio Melina, 31/01/2010)

"On a signalé le phénomène d’un "analphabétisme affectif" croissant, répandu parmi les nouvelles générations. Une enquête récente [..] a montré que ces jeunes connaissent au maximum une dizaine de mots relatifs aux émotions et à l'affectivité" Livio Melina, Paris, le 31 janvier 2010

 


                                              

Ny famahavahana dia mampiaraka sy mampifanohitra ny teny mba ahazoana ny  heviny  

La syntaxe associe et oppose les mots pour mieux nous faire comprendre leur sens

  • Fanomezana sy andraikitra
  • Don et tâche
  • Fifanekena  sy fampitana aina
  • Alliance et transmission de la vie
  • Faniriana sy fanolorantena
  • Désir et don de soi
  • Famokarana sy Fetezan-mitsaika
  • Production et fécondité
  • Soatoavina sy fahendrena
  • Valeurs et vertus
  • Fahamarinana  sy fahalalahana
  • Justice et liberté
  • Fitiavana sy marina
  • Amour et vérité
  • Zo sy adidy
  • Droits et devoirs
  • mampiasa sy mitia / ampiasana sy tiavina ?
  • Utiliser et aimer
  • fahadiovam-po sy fahadiovam-pitondra-tena
  • Pureté et chasteté

                                                                                                                                                                                                                                                                                                           

Toko

Votoatin ’ity Tahirinkevitra ity

Contenu de ce document

1

Famakafakana sy figagana miatrika ny fiainana

Questionnement et émerveillement face à la vie

2

Ny fanomezana

Le don

3

Haitontolo

Ecologie

4

lahy sy vavy

Masculinité et féminité

5

Fisandratan’ny fitiavana

L'ascension de l'amour

6

Fifanekena  sy fampitana aina

Alliance et transmission de la vie

7

Ny fisarahana sy ny fanavotana

La fissure et la rédemption

8

Ny Fitsipiky ny fiainana

La grammaire de la vie

9

Ny hazon’ny Safidy

L’arbre des choix

10

Andininy notsongaina t@ taratasin’i Md Paoly

Quelques extraits des épitres de Saint-Paul

11

Ny lalam-pitondrantena  vaovao maneran-tany : Ady atrehan’ny fiangonana. Famintinana

La nouvelle éthique mondiale, défis pour l'Eglise. Résumé

 

Toko 1 : Famakafakana sy figagana miatrika ny fiainana

Chapitre 1 : Questionnement et émerveillement face à la vie

                                                                          

Inona no dikan’ny fiainantsika ?

Quelle est le sens de notre vie

Ny tsirairay ao anatin’ny fahatanorana dia tojo olana rehefa mamaly ny fanontaniana voalohany tonga ao an-tsainy

Chacun, dans sa jeunesse, a bien des difficultés lorsqu’il essait de répondre aux questions primordiales qui lui viennent à l’esprit

  • .Iza ny olombelona ?
  • Qui est l’homme ?
  • .Iza izaho ?
  • Qui suis-je ?

Ireo fanontaniana ireo ve no dingana voalohany ahazoantsika ny fiainan’ny olombelona sa dia mijanona tsy ahitam-baliny ?

Ces questions sont-elle un premier pas dans notre compréhension de la vie humaine? Ou resteront-elles à jamais sans réponse ?

Sarobidy Ireo fanontaniana apetraky ny olona tsi 1-1 rehefa mandinika ny tontolo sy ny zava-boaary manodidina azy izy.Manampy kokoa amin’ny fahatsapany ny fisiany ireo.

Les questions que se pose tout homme en observant le monde et la nature qui l’entoure sont en fait essentielles : elles permettent de mieux comprendre notre propre existence.

                                                                          

Fahasambarana, fahalavorariana, figagana (talanjona)

Bonheur, bien-être, émerveillement

Fahasambarana,fahalavorariana, figagana, ireo  teny telo ireo no fototry ny  voambolan’ny fitsipiky ny fiainana

Nomena hoan’ny fahasambarantsika ny natiora  : Ny hakanton’ny zavamaniry sy ny biby dia mameno ny Fitiavantsika ny fahasambarana sy ny hatsarana

Bonheur, bien-être, émerveillement sont trois mots essentiels du vocabulaire de la grammaire de la vie.

La nature nous est donnée pour notre bonheur : la beauté de la flore et de la faune viennent combler notre goût pour le bonheur et le bien.

 

Fanomezana  Cadeau

Ho an'ny fahasambaran-tsika Pour notre bonheur

 

 

Zava-mahatalanjona hoan’ny manodidina antsika isika. Ny manodidina koa dia voaantso ho zava- mahatalanjona ho   antsika 

Nous pouvons être des “merveilles” pour ceux qui nous entourent! Notre entourage est aussi appelé à être une « merveille » pour nous !

 

 

Gen 2,23

Ary hoy Adama: Amin’izao,ity no taolana avy amin’ny taolako,sy nofo avy amin’ny nofoko.Hantsoina hoe vehivavy izy satria nalaina avy tamin’ny lehilahy

Gen 2,23

Alors Adam s'écria : "Pour le coup, c'est l'os de mes os et la chair de ma chair ! Celle-ci sera appelée "femme", car elle fut tirée de l'homme, celle-ci !"

Gen 4,1

Ary i Adama nahalala an’i Eva vadiny,ka nanana anaka izy dia niteraka an’i Kaina sy nanao hoe : »Efa nampisy olona anankiray aho tamin’ny fanampian’Iaveh

Gen 4,1

L'homme connut Eve, sa femme ; elle conçut et enfanta Caïn et elle dit : "J'ai acquis un homme de par Yahve."

 


                                                                                                                                                                                                                                                                                                           

Sal 8 2 4-6

(2) Ry Iaveh Tomponay, mba be voninahitra ny anaranao, amin’ny tany rehetra. Ny fiandriananao no nandravahanao ny lanitra

(4) Raha banjiniko ny lanitrao,izay asa tananao,mbamin’ny volana aman-kintana  izay noforoninao

(5)Inona ny olombelona no mba tsaraovanao ? ary ny zanak’olombelona no mba karakarainao?

(6) Nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, nosatrohanao voninahitra amam-piandrianana izy.

Ps 8, 2 4-6

[2] Yahve, notre Seigneur, qu'il est puissant ton nom par toute la terre ! Lui qui redit ta majesté plus haute que les cieux

 [4] A voir ton ciel, ouvrage de tes doigts, la lune et les étoiles, que tu fixas,

[5] qu'est donc le mortel, que tu t'en souviennes, le fils d'Adam, que tu le veuilles visiter ?

[6] A peine le fis-tu moindre qu'un dieu ; tu le couronnes de gloire et de beauté,..

                                                                                                   

Sal 139, 13-16

(13) Ianao no namorona ny voako,sy nanenona ahy tao ankibon’ny neny

(14) Midera anao aho amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra, mahagaga ny asanao ary mamin’ny fanahiko ny mieky izany.

(15)Tsy niafina taminao ny tenako tamin’ny namoronanao ahy tao amin’ny miafina, voatenona tamim-pahaizana tao amin’ny fanambanin’ny tany.

(16) Fony vao notorotoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry hiainako

Ps 139, 13-16

[13] C'est toi qui m'as formé les reins, qui m'as tissé au ventre de ma mère ;

[14] je te rends grâce pour tant de prodiges : merveille que je suis, merveille que tes œuvres. Mon âme, tu la connaissais bien,

[15] mes os n'étaient point cachés de toi, quand je fus façonné dans le secret, brodé au profond de la terre.

[16] Mon embryon, tes yeux le voyaient ; sur ton livre, ils sont tous inscrits les jours qui ont été fixés, et chacun d'eux y figure.

 


               

NAHOANA ARY ?

Alors pourquoi ?

                                                            

 


 

1) Ny hetraketraka atao amin’ny   natiora dia misy fiantraikany tena ratsy amin’ny ny zanak’olombelona. Eritrereto ange ireo moron-dranomasina sy ny farihy lasa maloto, simba  tsy azo anjonoana intsony  na ilay fiantraika ratsin’ny fiitaran’ny haintany,fitrandrahana tsy amim-piheverana ny nofontany.Amin’alahelo na koa hatezerana no andraisana ireo loza ireo.

1) Les méfaits occasionnés sur la nature ont de graves conséquences pour les habitants : pensons par exemple à ces bords de mer ou de lac devenus impropres à la pêche, ou les conséquences humaines de la désertification, conséquence d'une exploitation déraisonnée des sols. Ces méfaits sont ressentis avec tristesse et parfois avec colère.

2) Torak’izany koa,maro ireo  maneho ny fijalian’ny fianakaviana.jaly sy ngidy tsisy toy izany !, Ilay ankohonana nomena antsika ho tempolin’ny aina sy ny fitiavana dia lasa toeran’ny fifandroritana sy ny fijaliana amin’ny ankamaroany.

Betsaka ny tahotra hiditra amin’ny fifamatorana ao amin’ny fanambadiana na amin’ny fampitana aina/.fiterahana noho ny  ny faharavan’ny ankohonana.Ahoana tokoa moa ny hidirana amin’izany raha tsy azo antoka fa ho raisina amim-panajana,  sy amim-pitokisana tsy hivadika ny fanomezana ataontsika?

2) De même, nombreux sont ceux qui expriment leurs souffrances familiales. Que de souffrance, que d'amertume. La famille, qui nous a été donnée comme sanctuaire de la vie et de l'amour, est dans bien des cas devenue un milieu de tension et de souffrance! De nombreuses peurs de s'engager dans le mariage ou de transmettre la vie viennent des ruptures familiales! Comment en effet s'engager sans certitude que notre don généreux soit accueilli avec respect, délicatesse et fidélité ? De nombreuses peurs de s'engager dans le mariage ou de transmettre la vie viennent des ruptures familiales! Comment en effet s'engager sans certitude que notre don généreux soit accueilli avec respect, délicatesse et fidélité ?

Amin’ilay tranga voalohany ny fahaizana  ny  firindran’ny voaary no tsy voahaja, amin’ny faharoa kosa dia ny fahaizana  ny  firindran’ny fianakaviana mihintsy no tsy voahaja.

Dans le premier cas, c'est l'écologie naturelle qui n'est pas respectée, dans le second c'est l'écologie familiale.

Ireo fijaliana ireo dia vokatry ny tsy fanajana ny lalàn’ny aina, ain’ny natiora andaniny, ain’ny fianakaviana ankilany.Tsy ampy  fanajana ny « fitsipiky ny fiainana » no dikan’izany.

Ces souffrances ont leur origine dans le manque de respect des lois de la vie, vie de la nature d'un côté, vie familiale de l'autre. C’est le manque de respect de la « grammaire de la vie ».

 

 

TOKO 2 : Ny fanomezana

Chapitre 2 Le cadeau

                                                                             

Mila raisina ny Fanomezana

Un cadeau a besoin d’être accueilli

Raisina ny fanomezana fa tsy mila tambiny,tsy onerana

Un cadeau n’a pas besoin d’être remboursé, mais il a besoin d’être accueilli

Raisina am-pankasitrahana ny fanomezana, ny olona mandray izany dia mamboly fifandraisana vaovao. Mampanankarena ny mpanolotra sy ny tolorana  izany

Accueillant avec gratitude le cadeau, la personne qui le reçoit participe à la création d’une nouvelle relation. Cette situation enrichit celui qui donne et celui qui reçoit

 

 

 

                                                    

Manome sy mandray

Donner et accueillir

Mifampiankina tanteraka ny manome sy mandray ka ny manome lasa fandraisana ary ny mandray manjary fanomezana

Donner et accueillir sont tellement dépendants l’un de l’autre que donner devient un accueil et accueillir devient un don.

                                                                             

Ny fandraisana ny Fanomezana dia miteraka Fifandraisana iray

L’accueil du cadeau crée une relation

Ny fanomezana dia fanehoana ny ao am-pon’ilay manome, Ny fandraisana ny fanomezana dia valy avy ao am-pon’izay mandray. Noho izany ny fandraisana ny fanomezana dia miteraka fifandraisana mampanankarena ny roa tonta. 

Le cadeau exprime le cœur de celui qui donne. Accueillir le cadeau est une réponse du cœur de celui qui reçoit. C’est pour cela que l’accueil du cadeau crée une relation qui enrichit tous deux.

                                                                             

Fanomezana sy ny andraikitra aterany

Cadeau et tâche à accomplir

Notolorana fehezam-boninkazo aho !Raha ataoko anaty vazy ka apetrako amin’ny toerana tsara indrindra dia manome lanja azy aho, karakaraiko tsara, raisiko izy dia tanterahiko  ny andraikitro. Ny fanomezana dia manainga anao hatrany hanatanteraka andraikitra iray.

Un bouquet de fleur m’est offert ! Si je le mets dans un vase et place le vase au meilleur endroit pour le mettre en valeur, j’en prends soin,  je l’accueille ; je remplis ma tâche. Le cadeau invite toujours à remplir une tâche.

Tsy isika no nanao antsika fa nandray aina isika. Tsy isika no namokatra ny natiora fa nomena antsika ireny. Tsy namokatra kolotsaina isika fa nomena antsika  izy. Marina fa mamokatra zavatra betsaka isika saingy novokarina avy amin’ireo nomena antsika izany.

Ireo zavatra rehetra azontsika dia fanomezana ho antsika  Arak’izany, ny fanomezana dia mitarika andraikitra ho tontosaintsika.

Nous ne nous sommes pas fait nous-même, mais nous avons reçu la vie. Nous ne produisons pas la nature, elle nous a été donnée. Nous n’avons pas produit la culture, elle nous a été donnée. Bien sûr, nous produisons aussi bien des choses, mais ce que nous produisons, nous le faisons à partir de ce qui nous a été donné.

Toutes ces choses que nous recevons sont un cadeau pour nous.

Nous avons donc des tâches à accomplir.

                                                                             

FAMELANA sy FAHAMENDREHANA

Pardon et dignité[i].

Ny fifandraisan’ny mpamela sy voavela dia tsy mandeha ila :

  • -Izay mamela dia mamerin-kasina izay avelany
  • - Etsy andaniny,izay mpamela dia voahajan’ny mandray ny famelany.

La relation entre celui qui pardonne et celui qui est pardonné n’est pas à sens unique :

  • celui qui pardonne restore la dignité de celui à qui il pardonne.
  • dans le sens contraire, celui qui pardonne est honoré par celui qui accueille son pardon.

Iza moa aho no hamela hadisoana ? Tsy lavorary koa aho.

Izay mandray ny famelako dia manome voninahitra ahy.

Qui suis-je en effet pour pardonner ?  je suis bien imparfait.

Celui qui accueille mon pardon me fait un honneur.

Samy voaverin-kasina ny roa tonta, na ny mpandray na ny  mpanome

Tous deux sont nous sommes restaurés dans notre dignité,  celui qui reçoit et celui qui donne.

 

 

           

 

Mandray ny fanomezan’Andriamanitra

Accueillir le don de Dieu

1)      Mandray ny aina nomen’Andriamanitra ahy aho

2)      Mandray ny tenako, amin’ny maha izaho ahy  aho

3)      Mandray izao tontolo izao,  izay fanomezana avy amin’Andriamanitra nomeny ahy .

4)      Mandray ny mpiarabelona amiko,.,izay fanomezana omen’Andriamanitra ahy.

5)      Mandray ny vadiko, izay fanomezana omen’Andriamanitra ahy

6)      Mandray ny zanaka vokatry ny fanambadianay, izay fanomezana omen’Andriamanitra

1)      Accueillir la vie que Dieu m’a donnée.

2)      Accueillir ma personne, ce que je suis.

3)      Accueillir le monde, comme un cadeau que Dieu me donne.

4)      Accueillir mon entourage comme un cadeau que Dieu me donne.

5)      Accueillir mon mari, ma femme comme un cadeau que Dieu me donne.

6)      Accueillir les enfants qui naissent de notre couple comme un don de Dieu.

                                                                                                                                                                                                                                                                                                                     

Manaiky fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ireo rehetra ireo

Reconnaître que ces dons viennent de Dieu

Avy amin’Andriamanitra ireo fanomezana ireo :

  • Nankinin’Andriamanitra amiko ireo fanomezana ireo, miandry ny fandraisako ireo Izy
  • ary misy andraikitra tsy maintsy tanterahiko amin’izany.

Tous ces dons me viennent de Dieu :

  • Dieu m’a confié ces dons ; Dieu attend mon accueil de ces dons,
  • et j’ai une tâche à accomplir.

 

 

 

 

Toko 3: Haitontolo

Chapitre 3 : Ecologie

                                                                             

Ny haitontolo iainan’ny zava-boaary 

L’écologie environementale

Maneho ny endriky ny fitiavana sy ny fahamarinana ny natiora.

Noharian’Andriamanitra  talohantsika izy ary nomeny ho toeram-pahavelomantsika. Mitory  amintsika ilay Mpahary ( cf Rom 1, 20) sy ny fitiavany ny olombelona  izany.

La nature exprime un dessein d’amour et de vérité.

Elle nous précède et elle a été donnée par Dieu comme notre lieu de vie. La nature nous parle du Créateur (cf Rom 1 :20) et de son amour pour l’humanité[ii].

Ny fiandohan’ireo fanomezana ireo

L’origine de ces dons (cadeaux)

Ny fandovantsika ny natiora sy ny kolotsaina dia manasa antsika hikatsaka ny loharan’ireo fanomezana natolotra antsika ireo.

 

Fanomezana ny Aina ary Iza no nanome izany ? Nasaina isika handray io tolotra nomen’ny Mpahary io. Izy ilay namorona antsika tao an-kibon’Ineny.

L’héritage de la nature et de la culture nous invite à chercher qui est à l’origine de ces dons qui nous sont faits.

 

La vie est un cadeau, mais qui nous fait ce cadeau ? Nous sommes invités à accueillir ce cadeau que nous fait le Créateur, celui qui a formé notre corps dans le ventre de notre mère.

Fanomezana (tolotra) iray sy andraikitra iray

Un cadeau (ou : un don) et une tâche

Vokatry ny famotehana tsy amim-piheverana ny tontolo iainana dia misy fahadisoan-kevitra mampalahelo mihanaka.

Ny olona manana fahafahana hanova ny tontolo dia mihevitra fa izy no nahary ireo, nefa manova fotsiny ihany izy fa  Andriamanitra no nanome ireo.

A la racine de la destruction insensée de l’environnement il y a une erreur malheureusement très répandue.

L’homme, qui découvre sa capacité à transformer le monde oublie qu’il ne le crée pas, mais ne fait que transformer ce qui lui est donné par Dieu.

Mihevi-tena ho tena tompony ny olona ka tsy afa-mijery intsony ny tontolo araka ny maha izy azy ,dia ilay fanomezana natolotra  azy.hany ka foana ny fiantrana, ny fahafoizana, ny hafaliana izay ilainy mba handraisany ny tontolo manodidina azy izay hafatr’Andriamanitra. 

L’homme est tellement occupé par son envie de posséder, qu’il ne regarde plus le monde tel qu’il est, un cadeau qui lui est fait. Il manque de générosité, de gratuité, il n’a plus l’émerveillement dont il a besoin pour recevoir le monde qui l’entoure comme un message de Dieu.

                                                                             

Soa iombonana izao tontolo izao

Le monde est un bien commun

Ilaina ny mikajy ny tontolo iainana. Fananana iombonana ary andraikitra iraisana ny manaja  izay voatokana hoan’ny olona rehetra. 

Il est nécessaire de préserver l’environnement. C’est une question de bien commun et de devoir universel que de respecter ce qui qui est destiné à tous les hommes[iii].

Ilo ( afo)  nampitaina avy amin’ireo Razantsika ity tontolo ity. Tompon’andraikitra amin’io Soa iombonana io ny taranaka ankehitriny sy ireo ho avy  izay hanitatra sy hampivelatra ny taranak’olombelona.

Ce monde nous a été transmis par les générations qui nous ont précédées.

Nous sommes responsables de ce bien commun pour la génération actuelle et pour les générations futures qui vont agrandir la famille humaine.

                                                                                                                                                                                                                                                                                                                     

Haitontolo iainan’ny olombelona

Ecologie humaine

Ny bokin’ny natiora dia tokana  ka tsy azo zaraina na sarahina.

  • Tsy ny tontolo iainana ihany no ambarany fa koa ny aina,
  • ny maha lahy sy maha vavy, ny fanambadiana, ny fianakaviana ary ny fifandraisana ara-piarahamonina.

 

Raha bangoina dia ny fivelaran’ny maha olona feno no ambaran’izany.

 

Ny andraikintsika eo amin’ny tontolo iainana dia mifamatotra amin’ny andraikitra maha olona ihany koa. 

Le livre de la nature est un et indivisible :

  • il ne contient pas seulement l’environnement,
  • mais aussi la vie, la sexualité, le mariage, la famille, les relations sociales.

 

 

 

En un mot, c’est le développement intégral de l’homme qui est concerné.

 

Notre devoir envers l’environnement est lié à notre devoir envers la personne humaine[iv].

                                                                             

Ny fianakaviana,(tempoly) toerana masin’ny aina sy ny fitiavana

Famille, sanctuaire de la vie et de l’amour

Ny rafitra fototry ny fikajiana ny  tontolo voajanahary maha olona dia ny fianakaviana. Ao amin’ny fianakaviana no anovozan’ny olona ny fiofanana momba :

  • ny marina sy tsara
  • sy mianatra ny atao hoe “ mitia sy tiavina”

La première structure de l’”écologie humaine”, c’est la famille. C’est dans la famille que l’homme reçoit sa formation sur

  • la vérité et le bien,
  • et apprends ce que signifie aimer et être aimé [v].

Ny fianakaviana voajanahary dia fiombonan’ny aina sy fitiavana miorina amin’ny fanambadian’ny lahy iray sy vavy iray.

Ny fianakaviana no toerana anandratana ny maha olona “Tempolin’ny aina sy ny fitiavana”.

La famille naturelle est une communion de vie et d’amour, basée sur le mariage entre un homme et une femme[vi].

La famille et le premier lieu d’humanisation, c’est le sanctuaire de la vie et de l’amour[vii].

                                                                                                                                                                                                                                                                                                                     

Arak’izany,ny fianakaviana mirindra tsara dia iainana  ny traik’efan’ny  :

·         fiadanana (fandriampahalemana)

·         fahamarinana

·         fifankatiavan’ny mpiraitampo

·         toeran’ny fahefan’ny Ray aman-dreny.

·         Fijerena ny tsiraiaray eo amin’ny fahalemen’ny Tanora, ny aretina,ny fahanterana

·         Ilana ny fifanampiana

·         Fandraisan ny hafa

·         Fifamelana raha ilaina

 

En effet, dans une famille qui va bien, nous faisons l’expérience

  • de la paix,
  • de la justice
  • et de l’amour entre frères et sœurs,
  • du rôle de l’autorité des parents,
  • de l’attention pour chacun, de ceux qui sont faibles à cause de leur jeunesse, de leur maladie ou de leur vieillesse,
  • du besoin d’aide mutuel,
  • de l’accueil de l’autre
  • et si nécessaire du pardon[viii].

                                                                             

Fanambadiana

Mariage

Eto isika dia miresaka ny fianakaviana miorina  amin’ny mariazy (fanambadiana ) izay ahatsapana ny fifanoloran-tenan’ny lahy sy ny vavy  hanorina tontolom-piainana handraisana ny zaza hateraka sy hivelaran’ny maha izy azy. Mahatsapa ny zavatra mety ho vitany  sy ny fahamendrehany ka manomana  azy amin’ny ho safidim-piainany. 

Ici nous parlons de la famille fondée sur le mariage, dans lequel le don mutuel de soit par le mari et la femme crée un environnement dans lequel les enfants peuvent naitre et développer leurs capacités, prendre conscience de leur potentialités et de leur dignité, et se préparer à vivre leur destinée[ix].

                                                                                                                                                                                                                                                                                                                     

Ny fianakaviana no mampita ny lovan’ny aina

C’est la famille qui transmet l’héritage de la vie

Ny fianakaviana no mampita ny aina izay raisin’ny zanaka maimaipoana avy amin’ireo Razambe tamin’ny alalan’ny Ray sy ny Reny ka hamindra izany koa amin’ny taranaka mifandimby.

Ny lova napetraky ny lasa dia mampanankarena ny olona  ho amin’ny taranaka ho avy. Milomano ao amin’ny onjan’ny tantaran’ny olombelona isika.

La famille transmet l’héritage (la vie) que l’enfant est appelé à recevoir avec gratitude de ses parents et grands-parents et à transmettre à son tour à sa descendance.

 

L’héritage du passé enrichit l’homme pour les générations futures. Nous sommes ainsi placés dans le flot de l’histoire des hommes.

 

Ny fianakaviana no manova ny fiombonan’ny mpivady ho fiombonan’ny  taranaka.

La famille transforme la communion conjugale en une communion des générations[x].

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tena manontolo 

Mandrakizay

Ambara eo anatrehan’ny tany sy ny lanitra

 

Miezaka  ho zanaka, vady  ary Ray aman-dreny

Apprendre à être fils (fille), époux et parents

Ao amin’ny fianakaviana no iainantsika feno ny maha « Endrik’Andriamanitra », ka ao anatin’izany no mitarika antsika hiezaka ho zanaka,vady, Ray aman-dreny : Ny fiainan’Izy Andriamanitra no omeny antsika : sady zanaka Izy no Ray, niombom-piainana izy, nanome ny aina.

La famille est le lieu où nous vivons la plénitude de l’image de Dieu dans cette aventure qui nous conduit à apprendre à être enfants, époux et parents. Dieu nous donne de vivre ce qu’Il vit : il est Fils, il est Père, il vit en communion, il donne la vie.

Andriamanitra mampianatra antsika hiaina :ho zanaka ( toa an’i Kristy ) ; ho Ray ( toa ny Ray ) ary miombom-piainana (toa ny Trinite, tokana olona telo ).

Dieu nous donne de vivre ce qu’il vit : apprenant à être fils (comme le Christ) à être père (comme le Père) à vivre en communion (comme la Trinité).

                                                                             

Inona ny fanabeazana ho amin’ny fiainana ?

Fianarana ho tonga lehilahy, vehivavy, vady, Ray aman-dreny.

Qu’est-ce que l’éducation à la vie ?

C’est un apprentissage à devenir homme, femme, époux, parents.

 

Miezaka  ho zanaka

Apprendre à être fils, fille

Ny fiezahana ho zanaka dia ny fahatsapana fa Andriamanitra no nanome ny aina.

Ny hahatonga  tena lehilahy sy vehivavy dia ny fanatanterahana ireo andraikitra mifanaraka amin’ny maha lehilahy sy maha vehivavy izay nanaovan’Andriamanitra antsika ( jereo  Toko, Maha lehilahy sy vehivavy )

Apprendre à être fils, fille, c’est reconnaître que c’est Dieu qui nous donne la vie.

Apprendre à devenir vraiment homme, vraiment femme : remplir notre tâche pour accueillir notre masculinité, notre féminité, don que Dieu nous a fait.

Voir le chapitre “Masculinité, féminité”

Ny zaza tsirairay dia fanomezana  hoan’ny mpiraitampo, ny Ray aman-dreny,sy ny fianakaviana manontolo. Ny fahatongavany dia   Fanomezana  ka mameno ny fiainan’ireo izay nampita aina taminy.mandray anjara amin’ny soa iombonan’ny fianakaviana sy ny Fiaraha-monina ny zaza tsiraiary  

Chaque enfant devient un cadeau pour ses frères, sœurs, parents et pour toute la famille. Sa vie devient un cadeau, remplit la vie de ceux qui lui ont transmis la vie. Chaque enfant vient contribuer au bien commun de la famille et à celui de la communauté[xi].

                                                                                                      

Miezaka ho vady

Apprendre à devenir époux

 Ny EVF dia fanabeazana ihany koa ho tena vady.

(jereo ny Toko : (fisandratan’ny fitiavana )

Eduquer à la vie c’est en effet aussi, et peut-être surtout, éduquer à devenir époux.

Voir le chapitre : L'ascension de l'amour

                                                                                                      

Miezaka ho Ray aman-dreny

Apprendre à devenir parents

Ny maha Ray sy Reny,izay mitovy ara-karazany  nefa manana toetra miavaka : dia  Ray sy Renin’ny olona  araka ny maha Endrik’Andriamanitra.

 

La paternité et la maternité, tout en étant biologiquement similaire à celle de toutes les espèces contient quelque chose de tout à fait unique : la paternité et maternité humaine est “à l’image » de Dieu.[xii].

Ny fanirina ho Ray,na ho Reny dia tsy manome zo ho an’ny zaza. Fa ny zaza kosa no manan-jo  hanana Ray aman-dreny. Ny Ray aman-dreny no mandray ny zanaka ho toy ny fanomezana  natolotra azy, nankinina aminy. Ny hafaliany, ny  hasambarany dia fanomezan’Andriamanitra maimaipoana ho azy.

Le désir d’être mère ou père ne donne pas un “droit à l’enfant”: c’est l’enfant qui a droit d’avoir des parents. Les parents accueillent celui-ci comme un don, un cadeau qui leur est fait, qui leur est confié. Leur joie, leur bonheur, leur est offert gratuitement par Dieu.

Samy manan-danja ny anjara ny toeran’ny Ray sy ny Reny  eo amin’ny fanabeazana ny zanany. Tsy maintsy miara-manabe ireo zanaka, mampiasa ireo   fahefany amim-panajana sy amim-pahamendrehana,nefa koa hentitra raha ilaina. Kendrena mba am-pahirantan-tsaina koa mba ho fahombiazana feno hoan’ny zanaka.

Le rôle du père et de la mère sont aussi important l’un que l’autre dans l’éducation de l’enfant. Les parents doivent travailler ensemble à l’éducation de leurs enfants. Ils doivent exercer leur autorité avec respect et bienveillance, mais aussi, lorsque cela est nécessaire, avec fermeté et vigueur : cela doit être fait avec intelligence et toujours pour le bien total (intégral) de l’enfant[xiii].

Ny lehilahy, na dia mizara ny maha ray azy amin’ny vadiny dia mijanona ivelany hatrany eo amin’ny  fizotry ny vohoka sy ny fahaterahan’ny zaza. Izany no tsy maintsy ianarany avy amin’ny Reny ny andraikitra « maha Ray ».

L’homme – même s’il partage la parenté avec son épouse- reste toujours “extérieur” au processus de la grossesse et de la naissance du bébé; c’est pour cela que, pour bien des aspects, il doit apprendre sa « paternité » de la mère.

                                                                                                      

Ny toeran’ny reny dia tsy azo soloina mba hampisongadina   ny tena maha izy ny zaza.

La place de la mère est tout à fait primordiale pour faire émerger la personnalité de l’enfant[xiv].

Ny Maha Reny dia misy fifamatorana manokana amin’ny zava-miafin’ny aina satria ao am-bohoka no mivoatra ny aina. Feno zava-miafin’ny aina ny Reny ary tsapany izany. Io fifandraisana manokana amin’ny aina  mitsimoka io dia mamboly ao amin’ny Reny toetra tsara manoloana ny aina. Manamarika lalina ny maha izy azy izany. Fantatra fa ny vehivavy dia afaka mandray olona kokoa % lehilahy ary io maha Reny io no manampy azy hanana izany fahafahana izany.

La maternité contient un lien tout à fait spécial avec le mystère de la vie, parce que la vie se développe dans le sein maternel. La mère est remplie du mystère de la vie, et « comprends » ce qui se passe en elle... Ce contact unique avec la nouvelle vie humaine développe chez elle une attitude positive vis à vis de la vie. Cela marque profondément sa personnalité. Il est reconnu que la femme est plus capable que l’homme de porter attention aux autres personnes, et que la maternité développe plus encore cette capacité[xv].

 

Hojerentsika ireo lafin-javatra hafa mikasika ny haitontolo iainan’ny olombelona.

Nous abordons maintenant quelques autres aspects de l’écologie humaine, ce climat favorable à la vie humaine.

 


 

Fifanekena  sy fifanarahana

Alliance et contrat

 

 

Fifanarahana

Fifanekena

Ny fifanarahana dia ifanaovan’ny samy olona. Raiketiny mazava ny fepetra amin’ny asa hiarahana. Tena ilaina amin’ny fifandraisana tsara izany  ka :

  • Voafetra ny fotoana, tsy mandramaty  fa araka izay voafaritra  ka voahaja ny fepetra nifanarahan’ny andaniny sy ankilany
  • Voafetran’ ny  lafin-javatra iray ihany  amin’ny fiainan’ireo izay  mifanaraka fa tsy mahakasika ny fiainan’izy ireo  manontolo akory.

Le contrat est établit entre personnes. Il fixe avec précision les conditions d’un service mutuel. Il est profondément utile aux bonnes relations humaines. Il est

  • limité dans le temps : il n’est pas un engagement pour toujours, mais pour la durée prévue et sous réserve que certains critères soient remplis par les deux parties qui établissent le contrat ;
  • limité à un secteur de la vie, c’est à dire que c’est un échange qui qui ne concerne pas toute la vie de ceux qui établissent un contrat.

Ny fifanekena dia firotsahana  hanolorana  ny :

  • tena manontolo 
  • mandrakizay
  • ambara eo anatrehan’ny tany sy ny lanitra

L’alliance est un engagement à partager

  • Tout
  • Pour Toujours
  • Exprimé face à Tous

Fifanomezana ny tena ho an’ny hafa

C’est un don mutuel de soit à l’autre.

                                                                             

Ny haitontolo iainan’ny  olombelona  dia miorina amin’ny fifanekena sy fifanarahana. Ny  fifanekena ihany anefa no mandrafitra ny fiainam-pianakaviana sy ivoarany ka hahafahany :

  • Mifanolotena tanteraka (olona feno)
  • Mampita aina

 

 

Jereo toko : (Fifanekena sy fampitana aina )

L’écologie humaine repose sur les contrats et sur les alliances. Seule l’alliance permet à la structure familiale de se constituer et de se développer.

C’est le cadre qui permet

  • de se donner corps et âme
  • et de transmettre la vie.

Voir le chapitre : Alliance et transmission de la vie.

                                                                             


 

Ny ilana  sy ny fitsipika momba ny  isam-batan’olona

Utilité et la norme personnaliste[xvi]

Ny antom-pilàna

Utilitarisme

Ny antom-pilàna no fototry ny safidin’ny fiaraha-monina eo amin’ny fitsipi-pifehezana.

Misafidy izay mitondra hafinaretana hoan’ny maro an’isa  ka tsy dia ahitana  fahasorenana sy fijaliana loatra 

Hoy I Karol Wojtyla : tsy fitiavana izany fa fitiavan-tena  faobe  izay tsy mateza akory nefa mety tsy tapaka na dia misy fifanolanana.

Ny mametraka ny fifandraisana toy izany dia manao fitaovana ny tenany  sy ny hafa: lasa fitaovana amin’ny andrana feno fahafinaretana izay tsy mifanaraka  amin’ny maha olona : ny olona dia tsy natao ho fitaovana ampiasaina  

L’utilitarisme base les choix de société sur une règle: choisir ce qui maximise le plaisir du plus grand nombre, avec le minimum de déplaisir ou souffrance.

Karol Wojtyla a montré que ceci n’est pas de l’amour mais une union d’égoïsmes, qui ne dure que tant que rien de déplaisant et aucun conflit ne vient rompre le « contrat ».

En fait, baser la relation sur cet échange de plaisir, c’est s’utiliser mutuellement : la personne devient un instrument pour des expériences agréables, ce qui ne convient pas pour une personne : la personne ne doit jamais être utilisée.

                                                                             

Ny fitsipika momba ny isam-batan’olona ( Karol Wojtyla )

La norme personnaliste (Karol Wojtyla)

Raha misy fitsipika iray maneho fitrangan-javatra vaovao,izany hoe ny fomba fitondrantena 

Karol Wojtyla dia nanome ity   fitsipika ity :  Aza atao fitaovana na oviana na oviana ny olona

Ny zavatra no azo ampiasaina fa ny fomba iray azo ekena dia ny fomba fitondrantena eo anatrehan’ny olona iray sy mitia azy.  

Si une seule règle doit résumer toute l’éthique, c’est à dire la façon de se conduire, Karol Wojtyla a donné la règle suivante (la norme éthique personnaliste) : ne jamais utiliser une personne.

 

On utilise un objet, une chose, mais la seule façon adaptée de se conduire envers une personne est de l’aimer.

                                                                                                                                                                                                                                                                                                                     

Famokarana sy  Feteza-mitsaika 

Production et fécondité

 

Famokarana

Feteza-mitsaika

Zava-dehibe ho amin’ny haitontolo iainan’ny olombelona dia ny fahaiza-manavaka  ny zavatra azo vokarina sy ny tsy maintsy   koloina :

  • Mamokatra zavatra isika, manorina trano ( …)
  • Rehefa fanabeazana  kosa sy fikoloana... dia antsoina tsy hamokatra fa hikolokolo, hanampy ;hanohana.... torak’izany  ny mpanao zaridaina izay mikolokolo ny famboleny  ka mandray ny fitomboany avy amin’ny Mpahary. Karakaraintsika  ny mpiara-belona amintsika, amin’ny alalan’ny asam-panabeazana.

  Ka ny fahombiazan’izany dia avy amin’Ilay Mpahary 

Il est important pour une bonne “écologie humaine” de bien distinguer ce que nous pouvons produire et ce dont nous devons prendre soin :

  • nous produisons des objets, nous construisons des maisons (image) etc..
  • mais lorsqu’il s’agir d’éduquer, de soigner, etc.. nous sommes appeler non à « produire » mais à « soigner », accompagner, etc.. De même que le jardinier prends soin de ses plantes, qui reçoivent leur croissance du Créateur, nous prenons soin de notre entourage, de nos actions éducatives, etc. dont la progression est donnée par le Créateur.

 

Mitombina kokoa izany eo amin’ny fampitana  ny aina. raisintsika ny fanomezana avy amin’Andriamanitra. Raisintsika ny zaza nampandraiketany antsika

Ceci est d’autant plus vrai lorsqu’il s’agit de transmettre la vie : nous accueillons le don de Dieu. Nous accueillons l’enfant qui nous est confié.

Rehefa atao ny tomban’ezaky ny asa famokarana ataontsika dia refesintsika ny fahombiazany ka mampiasa marika sy  antontan’isa isika. Fa rehefa manao tomban’ezaka ny asa fanabeazana kosa isika dia tsy ilaina mihintsy ny mampiasa izany  fepetra ara-pamokarana izany.   

Lorsque nous évaluons le succès d’un travail de fabrication, nous quantifions l’efficacité, nous utilisons des chiffres, des statistiques.

Mais lorsque nous évaluons le succès de notre éducation il est important de ne pas utiliser les critères de production.

 

Toko 4 : Lahy sy Vavy

Chapitre 4: Masculinité et féminité

                                                                             

Ny lahy sy vavy dia manome endrika ny fotom-pisiantsika eto an-tany. Ireo no mibaiko ny fihetsika ataontsika. Mbola ireo ihany koa no mamonto ny rehetra ao anatintsika ao. 

La masculinité et la féminité colorent la façon dont nous participons au monde. La masculinité et la féminité orientent toutes nos actions.

La masculinité et la féminité imprègnent tout notre être de l'intérieur.

Ny maha lehilahy sy mahavehivavy dia toetra  roa isokafana amin’Andriamanitra, amin’ny namana  ary amin’izao tontolo izao. 

La masculinité et la féminité sont les deux façons d’être ouvert à Dieu, aux autres, et au monde.

 Endrika  roa ikorianan’ny fitiavana maha olona ireo izay mandray anjara amin’ny fitiavan’Andriamanitra.

Ce sont deux dimensions par lesquels coule l’amour humain qui participe à l’amour de Dieu.

Ny  lahy  no ahatsapana, rehefa dinihina fa tsy vavy izy.Ary torak’izany koa ny vavy.

La masculinité se comprend en observant ce qu’elle n’est pas, la féminité.

La féminité se comprend en regardant ce qu’elle n’est pas, la masculinité.

Natao hifameno ny lahy sy vavy

Masculinité et féminité sont complémentaires.

 

Lahy hoan’ny vavy ary vavy hoan’ny lahy

Masculinité “pour” la féminité et vice versa, féminité “pour” la masculinité

Natao ho an’ny andaniny sy ny ankilany izy (hiara-dalana isika). Manambara izany ny vatana ary tena mazava izany.Ny Fahafahana hiombom-pitiavan’ ny lahy sy vavy, hiray amin’ny fampitana ny aina  dia voasoratara ao amin’ny vatantsika, mifameno ny vatantsika

Nous sommes faits l’un pour l’autre ; le corps nous le montre de façon tellement claire : la possible communion d’amour de l’homme et de la femme, unie à la transmission de la vie, sont inscrits dans nos corps. Nos corps sont complémentaires.

Ny hevitry ny “firaisana” eo amin’ny vatana

La signification “nuptiale” du corps

Ny fampakaram-bady dia fifanomezana,hafaliana amin’ny firaisana ary fisokafana amin’ny famokarana  taranaka 

Les noces sont

-         le don mutuel,

-         la joie de l’union,

-         et l’ouverture à la fécondité.

Ny vatantsika dia midika ho “firaisana “ satria  natao izy mba ho lasa  fanomezana ho an’ny vady amin’ny fampakaram-bady, hafaliana amin’ny firaisana sy ny fampitana ny aina

Notre corps a une signification “nuptiale”, car il est créé pour le don mutuel des conjoints, la joie de l’union, et la transmission de la vie.

Tsy mandeha ila   ny firaisan’ny vatana

La signification nuptiale du corps n’est pas seulement “horizontale”

Ny  vatana natao ho an’ny firaisana dia mampita  aina izay  mampahafantatra antsika ny fandraisana anjara amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay fiombonam-pitiavana  ipoiran’ny  Aina.

Le corps ainsi fait pour l’union qui transmet la vie nous révèle notre participation à l’amour de Dieu, communion d’amour d’où jaillit la vie.

 

Endrik’Andriamanitra

L’image de Dieu

Noharian’Andriamanitra mitovy Aminy isika

Dieu nous a créés à son image.

 

Jen 1, 26

Rehefa izany dia hoy Andriamanitra : »Andeha isika hanao olona mitovy Endrika amintsika, mifanahaka amintsika,ka aoka hanjakany avokoa ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, ny voro-manidina eny amin’ny habakabaka, ny biby fiompy  sy ny biby mandady mikisaka amin’ny tany.

Gen 1,26

Dieu dit : "Faisons l'homme à notre image, comme notre ressemblance, et qu'ils dominent sur les poissons de la mer, les oiseaux du ciel, les bestiaux, toutes les bêtes sauvages et toutes les bestioles qui rampent sur la terre."

Sal 8, 5-6

5- Inona ny olombelona no mba tsarovanao ? ary ny zanaky Adama no mba karakarainao.

6- Nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy. Nosatrohinao voninahitra amam-piandrianana izy.

Ps 8, 5-6

 [5] qu'est donc le mortel, que tu t'en souviennes, le fils d'Adam, que tu le veuilles visiter ?

[6] A peine le fis-tu moindre qu'un dieu ; tu le couronnes de gloire et de beauté,..

Nankinin’Andriamanitra tamin’ny olombelona, lahy sy vavy izao tontolo izao

 

Dieu a confié le monde à l’Homme, homme et femme.

 

Vatana sy Fanahy

Corps et âme

Ny olombelona dia vatana sy fanahy. Rehefa mitambatra ny vatana sy fanahy dia iray ihany izy

L’homme est corps et âme. Il est lui-même lorsque son corps et son âme sont vraiment unis.

Tsy singa fotsiny ny vatana  fa fanomezana,antso ho amin’ny fahasambarana. Ny vatana no ananana ny fahalalahana  satria izy no mahatonga  antsika eto amin’izao tontolo izao, hifampiresaka sy hiasa

Le corps n’est pas simplement de la matière. C’est un cadeau, un appel au bonheur. Le corps permet la liberté, car il nous permet d’être présent au monde qui nous entoure, d’exprimer, d’agir.

Fanomezan’Andriamanitra ho antsika ny vatana. Andraikitra ho tontosaina izany

Jereo Toko : tolotra sy fandraisana: Mba handray ny fanomezan’Andriamanitra isika dia voaantso mba :

·         Ho tempolin’ny fanahy  masina ny vatantsika

·           Hifandray amim-pitiavana amin’ny mpiara-belona amintsika

·         Ary ho nofo iray ihany ny mpivady ao anatin’ny Fanambadiana, ao amin’ny fiombonam-pitiavana izay hampitana ny aina sy ivelarany.

Le corps est un cadeau que Dieu nous fait. C’est donc une tâche à accomplir (voir chapitre sur le don et l’accueil) : pour accueillir le don de Dieu nous sommes appelés à

  • vivre notre corps comme le temple de l’Esprit,
  • vivre dans une relation d’amour avec notre entourage,
  • et dans le mariage, avec notre époux faire une seule chair, être dans une communion d’amour d’où la vie se transmet et se développe.

                                                                                                      

Ny vatan’i Kristy  notsiratsiraina sy nomena antsika  teo ambony Lakroa no manambara amintsika ny hamoram-pon’Andriamanitra.

 

Le corps du Christ, humilié et donné pour nous sur la croix, nous révèle la douceur de Dieu.

Ny fanambaniana ny vatana dia fampahatsiahivana hatrany fa Andriamanitra dia Fitiavana ary miantso ny olona hifandray amin’ny tenany ihany.

Ny vatana maneho ny hatsaram-po sy ny fahendren’Andriamanitra

L’humilité du corps est un rappel constant que Dieu est amour et appelle l’homme à une attitude amicale envers lui-même.

 

Le corps parle de Dieu, révèle sa bonté, sa sagesse.

 


 

Tsy tsara raha irery ny lehilahy

Il n’est pas bon que l’homme soit seul

Ao amin’ny tantara voalohan’ny Fahariana ( Jen 1) Andriamanitra nahary ny olona, lahy sy vavy izay manambara ny toetran’ny olombelona

Dans le premier récit de la création (Gen 1), Dieu crée l’Homme, homme et femme, qui représentent la nature humaine.

Jen 1, 26 « Hoy Andriamanitra : Andeha isika hanao olona mitovy Endrika amintsika, mifanahaka amintsika

Gen 1,26 « Dieu dit : "Faisons l'homme à notre image, comme notre ressemblance »

Jen1, 27 : Andriamanitra nahary ny olona mitovy Endrika Aminy, mitovy Endrika amin’Andriamanitra no nahariany azy ary nataony lahy sy vavy

Gen 1, 27

Dieu créa l'homme à son image, à l'image de Dieu il le créa, homme et femme il les créa.

Alohan’ny nahariana ny vehivavy, noharian’Andriamaintra ny lehilahy izay nisolotena  ny olombelona ka tsy mitovy amin’ny biby isan-karazany

 

Avant la création de la femme, l’Homme créé par Dieu représente l’espèce humaine, par opposition aux espèces animales.

 

                                                                                                      

Teo amin’ny tantara faharoan’ny fahariana, Andriamanitra nahary ny lahy sy vavy izay manome ny olona ny hahafahana hiombom-piainana  sahala an’Andriamanitra miombom-piainana  ao amin’ny Trinite,Ray, Zanaka,Fanahy Masina

Dans le second récit de la création, Dieu crée la masculinité et la féminité, qui donnent à l’Homme la possibilité de vivre la communion des personnes, comme Dieu vit la Communion trinitaire, Père, Fils et Esprit Saint.

 

 

Jen 2, 18

Ary hoy Iaveh Andriamanitra : »Tsy tsara raha irery ny lehilahy. Hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy » 

Gen 2, 18

Yahve Dieu dit : "Il n'est pas bon que l'homme soit seul. Il faut que je lui fasse une aide qui lui soit assortie."

 

Ny lahy rehefa nijery ny vavy dia mahatsapa hoe Iza Andriamanitra. Torak’izany koa ny vavy.

Tena zava-dehibe ny fanentanana ny tanora sy ny mpivady mba hanana fomba fijery toy izany.

L’homme, en regardant la féminité, comprends mieux qui est Dieu. La femme, en regardant la masculinité, comprends mieux qui est Dieu.

Il est important de sensibiliser les jeunes et les couples, pour qu’ils exercent leur regard dans ce sens.

 

Samihafa ny lalan’ny  lahy sy ny vavy araka ny fandaharan’Andriamanitra azy

Le chemin de l’homme et de la femme sont différents, dans le dessein de Dieu :

Zanaka vavy,vady, reny no lalan’ny vehivavy

Le chemin de la femme est d’être fille, épouse et mère.

Zanaka lahy, vady, ray no lalan’ny lehilahy

Le chemin de l’homme est d’être fils, époux et père.

 

 

Voaantso hiaina ny fiombonan’ny olombelona

Appelés à vivre la communion des personnes

Ny vatana no maneho ny lalana harahina mba hiaiana finaritra  ao amin’ny fiombonana mahomby ao amin’ny fanambadiana

Le corps nous révèle le chemin à prendre pour vivre en plénitude, en vivant une communion féconde dans le mariage.

Ny fifankatiavan’ny mpivady dia lalana mankany amin’Andriamanitra. Ny vadiko no lalana atolotr’Andriamanitra ahy hanatonako Azy.

L’amour mutuel des époux est le chemin vers Dieu. Mon époux (épouse) est le chemin que Dieu me propose pour venir à Lui.

 


 

Mitovy fa tsy sahala ny lahy sy ny vavy, mifameno

Identité et différences entre homme et femme, complémentarité

Na eo aza ny fahasamihafan’ny lehilahy sy ny vehivavy dia mifameno izy ireo. 

L’homme et la femme ne sont pas simplement différents, ils sont complémentaires.

Ohatra : Matetika ny  lahy dia ny vatana no maneho ny fisarihany  ny vavy.Torak’izany ny vavy manana ny fo manintona ny lahy.

Ireo hetsika roa ireo dia samy tsara sy ilaina.satria ny tsirairay ao amin’ny mpivady dia samy maneho mazava izay fihetseham-po tsapany amin’ny andaniny avy.

 

Prenons des exemples :

Bien souvent, l’homme exprimera plus la place du corps dans l’attirance pour sa femme. Bien souvent, la femme exprimera plus la place du cœur dans son attirance pour l’homme.

Ces deux attirances sont bonnes et nécessaires, chacun des membres du couple apporte au couple ce qu’il ressent plus clairement.

Amin’ny ankapobeny ny lahy dia voasarika amin’ny asa ivelan’ny tokantrano, fandraisan’anjaran’ ny mpivady amin’ny fiainan’ny fiaraha-monina izany . Etsy ankilany ny vavy dia mampahatsiaro ny hasarobidin’ny fiainana eo anivon’ny tokantranon’ny mpivady. Izany toetra roa izany dia tsara sy ilaina ary samy mitondra ny tsapany ny.tsirairay amin’ny mpivady.,

Bien souvent l’homme sera plus orienté vers l’action en dehors du foyer conjugal, participation du couple à la vie de la société. Bien souvent la femme rappellera l’importance de la vie au sein même de la maison du couple.

Ces deux attirances sont bonnes et nécessaires, chacun des membres du couple apporte au couple ce qu’il ressent plus clairement.

 


 

Tokony hikatsaka ny  fiombonana ao anatin’ny fifamenoany ny mpivady toy izay hifanohitra fomba fijery .

Plutôt que d’opposer leurs points de vue, les époux chercheront l’unité dans leur complémentarité !

Hitantsika manaraka eto fa tsy tsapan’ny mpivady eo amin’ny fiainany dia mifandona matetika, mifanome tsiny na mifanjakazaka  izy ireo (araka  voalaza ao @ Jenezy ) 

Ny fandraisana ny andefimandry toy ny fanomezan’Andriamanitra (nankinin’Andriamanitra tamiko) ary koa Endrik’Andriamanitra izay hanilo ny lalana : ny vadiko ( lahy, vavy ) dia mitory ny fisian’Andriamanitra, Endrik’Andriamanitra ho ahy  ( noharian’Andriamanitra mitovy Endrika Aminy (lahy sy vavy ) dia mampianatra ahy hoe Iza Andriamanitra.

 

Nous verrons dans la suite de ce parcours que le couple bien souvent s’affronte sans se rendre compte qu’il reproduit les erreurs d’accusation mutuelle et de domination décrites dans la Genèse.

Accueillir l’autre comme un don que Dieu (il m’est confié par Dieu), et plus encore, comme image de Dieu va éclairer le chemin : mon conjoint (ma femme, mon mari) est présence de Dieu, image de Dieu pour moi ( à l’image de Dieu il les créa, homme et femme Il les créa ) : il m’apprends qui est Dieu.

 


 

                                                                                                                                                                                                                                                                                                                     

Endri-manavaka ; karazana 

Genre

Ny mpiandany amin’ny fifanoheran’ny taovam-pananahana sy ny endri-manavaka dia mampiasa hatrany:

·         Ny hoe “taovam-pananahana”hilazana ny lahy sy vavy ara-boajanahary

·         Ny hoe “endri-panavahana”kosa dia ilazana ny anjara asa eo amin’ny lahy sy ny vavy  

Les partisans de l'opposition entre le sexe et le genre utilisent généralement

  • le mot «sexe» pour signifier la masculinité et la féminité biologiques
  • le mot «genre» pour signifier le "rôle" de l’homme et le rôle de la femme.

Ao ambadik’izany dia

  • misy hevi-diso milaza fa tsy misy ifandraisany ny lahy ara-boa-janahary  ka afaka misafidy hiaina ho vavy ny lahy, toy izany koa ny vavy ( sarimbavy na sarindahy )
  • Hevi-diso koa ny milaza fa tsy toetra raikitra izy fa afaka miova araka izay iriny.

Derrière cette attitude, il y a

  • l’idée (fausse) que les 2 ne correspondent pas forcément : selon eux, un homme biologique peut choisir de vivre en femme, et vice versa,
  • et l’idée (fausse) que rien n’est fixé, tout pouvant à ce sujet selon eux être changé selon notre désir.

Ny marina anefa,ny lahy sy ny vavy ara-boajanahary dia fomba anehoana ny maha izy ny tena tanteraka. Ny ara-boajanahary sy zara asa  dia mifamatotra. 

Au contraire, la masculinité et la féminité biologique, sont les deux façons d’être. Biologie et « rôle » sont intimement liés.

 


 

Toko 5: Ny fisandratan’ny fitiavana

Chapitre 5 : L’ascension de l’amour

(fitomboan’ny fitiavana)                                                      (ou : la croissance de l’amour)

 

Fanehoana   voalohany 

araka ny boky « amour et responsabilté  Karol Wojtyla

Première présentation

d’après le livre « Amour et responsabilité » de Karol Wojtyla

Sahala amin’ny lalana iray no anehoana ny fitiavana. Isaky ny dingana iray vita dia misy endri-pitiavana vaovao manatevina ny eo aloha.  Io endrika vaovao io dia mameno fa tsy manafoana izay efa teo aloha

L’amour est présenté comme un chemin. A chaque pas, une nouvelle dimension de l’amour vient enrichir la précédente; une nouvelle dimension enrichit, elle n’élimine pas ce qui est acquis précédemment;


 

                                                                             

 

 

Hitantsika amin’io sary io ny toko telo itomboan’ny fitiavana : Fanaranam-batana ; fironam-po ary ny fanamafisana ny maha izy

 

Io fifankatiavana io dia miantso antsika hanapa-kevitra hanorina ny “isika” izay fiombonan’ny olombelonna.

Andriamanitra, Ray, Zanaka, Fanahy Masina miaina izany fiombonam-pitiavana izany no manolotra hiaina ny  fiombonan’ny  olona  lahy sy vavy araka ny Endriny.

Ny “rantsan-tanan’Andriamanitra dia tonga mikasika ny rantsan-tanantsika, mitaona antsika hifampizara ny hafenoan’ny fiombonana, ny fitiavana ary ny fiainana.

Sur cette figure nous voyons, en bas, les trois pas de la croissance de l’amour : sensualité, sympathie et « affirmation de la personne », c’est à dire l’accueil de l’autre dans tout ce qu’il est.

Cet amour mutuel peut appeler à décider à construire un « nous », communion des personnes.

Dieu, Père, Fils et Esprit, qui vit une communion d’amour nous offre de vivre une communion de personnes, homme et femme, à son image.

Le « doigt » de Dieu vient ainsi « toucher » notre doigt, nous donnant de partager de sa plénitude d’union, d’amour et de vie.

 


 

                                                                                                                                                                                                                                                                                                                     

Fanaranam-batana (fientanana)

Sensualité

Ny fototry ny fitiavana ara-nofo dia ny fitsiriritana, ny fientanana. Ny vatan’n’y iray dia zavatra  azo antoka fa « fitaovam-pahafinaretana ». 

Le niveau le plus fondamental de l'amour érotique est une attirance, la "sensualité,".

L’autre, son corps, est un «objet potentiel de jouissance»[xvii].

Ny fientanana ara-nofo dia dingana voalohany mankany amin’ny fitiavana ambonimbony kokoa.

La sensualité est un premier pas vers une dimension plus élevée de l'amour. Elle contient une promesse de bonheur.

Marina tokoa fa io fanantenam-pahasambarana io dia tsy ho fenon’ny filana ara-nofo irery.

Tsy afaka hanome  samirery ny fahasambarana antenaina ny fientanana ara-nofo.

Na iza na iza  mieritreritra fa ny fahafinaretana ara-nofo ihany no tanjona farany dia tsy hahazo izany ary tsy hahatratra ny tena fahasambarana

Bien sûr, cette promesse de bonheur ne peut être satisfaite par la sensualité seule.

La sensualité ne peut pas, seule, donner le bonheur qu’elle semble promettre. Quiconque poursuit le plaisir sexuel comme une fin en soi finira par perdre même le plaisir, et n’atteindra pas le bonheur.

                                                                                                                                                                                                                                                                                                                     

Fahatsoram-po

Sympathie

Ny fahatsoram-po dia mamela antsika hizara ny tontolo anaty amin’ilay tiana. Mampifanatona ny olona tsirairay izy. Mametraka ny olona amin’ny lalàna iraisana  ary koa mamela ny tsirairay hahalala ny hafa.

La sympathie nous permet de partager le monde intérieur de l'être aimé. La sympathie rapproche les personnes l’une de l’autre. Elle place les personnes dans la même orbite. Elle permet à chacun de découvrir la personnalité de l’autre.

Ny fahatsorampo dia manandratra ambony kokoa  mihoatra ny fangejan’ny fiolonolonana izay mitady tanteraka ny hafinaretan’ny tenany samirery

La sympathie élève à une étape supérieure, au-delà de l'emprisonnement solitaire qui chercherait à satisfaire ses propres pulsions.

Tsy mamaly ny filana ara-nofo fotsony ny vatan’ny olona iray fa ho loharanom-pahafinaretana ka tokony hahatsiaro sambatra eo anatrehan’ilay olo-tiana.

La personne ne répond plus simplement à la « charge sexuelle » du corps de l’autre comme une source de plaisir, elle ressent un bien être en présence de l’être aimé.

                                                                                                                                                                                                                                                                                                                     

Fiekena ny maha olona feno ny hafa

Reconnaissance de l’autre dans toute sa personne

Mila matoy tsara ny fitiavan’ny lahy iray sy vavy iray mba ho afaka handray ny hafa amin’ny maha olona feno azy ( tsy maintsy mazava hatrany am-boalohany ny teny hoe «  maha olona ;  olona feno ).

L'amour d'un homme pour une femme (et vice versa) a besoin de mûrir pour découvrir, en l’autre, une personne (nous devrons préciser lors de la présentation, ce que signifie le mot « personne »).

Ny fitiavana marina dia tsy mihanona fotsiny amin’ny hakanton’ny  vehivavy  na eo amin’ny fihetsehampony amin’ilay lahy  fa amin’ny maha olona azy, araka ny maha izy azy.

L'amour vrai ne se fonde pas seulement sur les qualités de la femme ou sur les sentiments qu'elle suscite dans l'homme, mais sur le fait qu'elle est tout simplement la personne qu'elle est.

Izany no mahatonga ny fitiavana marina ho tia na dia amin’ny amin’ny andro sarotra sy misamboaravoara  aza.

C’est pour cela que l'amour véritable continue à aimer même les mauvais jours, les jours de mauvaise humeur, etc..

 


 

Miampita any amin’ny hoe “ isika “ ilay “izaho” ka mahatonga ny tsirairay hifampizara ny tontolo anaty

Nous passons alors du « je » au « nous », en permettant à chacun de partager un même « monde intérieur ».

Ny lahy sy ny vavy dia vonona hiray aina mandrakizay ao amin’ny fanambadiana raha vonona hiala amin’ny « izaho » ka manaiky hakany amin’ny « isika » 

Désireux de passer du « je » au « nous », l'homme et la femme sont prêts à unir leur vie à jamais, dans le mariage.

                                                                                                                                                                                                                                                                                                                     

Fitiavana ifanolorana (ifanomezana )

L’amour don-mutuel

Ny faratampon’ny fitiavana dia ny fanolorantena hoan’ny ankilany.Fa tsy very amin’ny maha izaho ahy aho ao aminy . Vao mainka aza mitombo sy mahazo tombony : mbola izaho aho,nefa koa tafaray amin’ny vadiko.

Le stade suprême de l'amour, est l’amour dans lequel nous nous trouvons en nous donnant à l'autre.

Loin de me perdre en l’autre, j’en suis grandi, enrichi : je suis moi, mais je suis aussi uni à mon conjoint.

Tsipihin’ny Evanjely mazava,tsy ampihambahambana hoe : Fa izay te hamonjy ny aina no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy (Mat 16,25)

L'Evangile souligne cela très clairement et sans ambiguïté : " Qui veut en effet sauver sa vie la perdra, mais qui perdra sa vie à cause de moi la trouvera." (Matthieu 16:25)

 

 

Fiombonan’ ny olona

Communion des personnes

« Tsy tsara ny lehilahy raha irery ». Ny tanan’Andriamanitra nahatanteraka ny fahalavorarian’ny asany,famolavolana ny olombelona ho iray ao amin’ny olona roa,  « fiombonan’ny olona » amin’ny maha Endrik’Andriamanitra. 

"Il n'est pas bon que l'homme soit seul." Les mains divines ont terminé leur chef d’œuvre, le façonnage de l’homme dans l'unité de deux êtres, une «communion des personnes», à l’image de Dieu.

Ny antsom-pitiavana  manako ao anatin’ny lahy iray dia misarika azy hiala amin’ny tenany ka hanorina tontolo vaovao miaraka amin’ny hafa.

L'appel à l'amour qui retenti dans le corps de l'homme l'invite à sortir de lui-même et pour construire un monde avec un autre.

 


 

Fanehoana faharoa :Ny fitiavana toy ny  fanirina,fanomezana ary finamana (fifankatiavana )

(araka ny ansiklika Benoit XVI  « Andriamanitra dia Fitiavana » 

Deuxième présentation : l’amour comme désir, don et amitié

D’après l’encyclique du pape Benoit XVI, « Dieu est amour ».

Ny atao eto dia fampisehoana ny endrika samihafan’ny fitiavana, ny fitiavana fitsiriritana,fanomezana,fanolorana ny tena ary finamana.

Mipoitra avy amin’io fitiavana io ny aina sy ny fivelarana.

Mifamatotra tanteraka amin’izany ny fitiavana,ny hafenoana ary ny aina 

Il s’agit de décrire les dimensions de l’amour, l’amour comme désir, comme don de soi,.et comme amitié.

De cet amour jaillit da vie et l’épanouissement.

Amour, plénitude et vie sont ainsi intimement liés

 

 


 

Fitiavana fitsiriritana sy fisarihana

L’amour de désir et d’attirance

Tonokira 5, 8-16

8- Miangavy anareo aho, ry zanaka vavin’i Jerosalema, raha mahita ny malalako ianareo, ahoana no holazainareo aminy ? Mararim-pitia aho !

9- Inona no ihoaran’ny malalanao nohon’ny malalan’ny hafa, ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy ? Inona no ihoaran’ny malalanao ny malalan’ny hafa no dia miangavy anay toy izao ianao ?

10- Ny malalako dia mandina ary menamena notsongaina tamin’iray alina

11- Volamena madio ny lohany, malefaka hoatran’ny sampam-palafa ny volony, milantolanto sady mangilohilo toy ny goaika.

12- Ny masony tahaka ny voromailala amoron-tsakeli-drano, mandro amin’ny ronono, mipetraka amin’ny morona.

13- Ny takolany tahaka ny kisahasahan-kazo mitete dity manitra sy toritory fambolena hazo manitra lisy ny molony izay mitete mira faran’izay madio.

14- Ny tanany dia anjam-bolamena voaisy vatosoa avy any Tarsisa : ny tratrany taozavatra ivoara kanto indrindra,voaisy safira betsaka.

15- Ny ranjony andry vatosanga miorina amin’y faladia volamena madio. Ny tarehiny tahaka ny Libana,bikana toy ny hazo sedera                                       

.16- Mamy dia mamy ny vavany, ary  mahateho tia  avokoa ny tenany. Toy izany ny malalako, toy izany ny olon-tiako ry zanakavavin’i Jerosalema.

Cantique des cantiques, 5, 8-16

[8] Je vous en conjure, filles de Jérusalem : Si vous rencontrez mon chéri, que lui expliquerez-vous ? Que je suis malade d'amour !

[9] Celui que tu chéris, qu'a-t-il de plus qu'un autre, ô la plus belle des femmes ? Celui que tu chéris, qu'a-t-il de plus qu'un autre, pour qu'ainsi tu nous conjures ?

[10] Mon chéri est clair et rose, il est insigne plus que dix mille.

[11] Sa tête est un lingot d'or fin. Ses boucles sont des panicules, noires comme un corbeau.

[12] Ses yeux sont comme des colombes sur des bassins à eau, se lavant dans du lait, se posant sur des vasques.

[13] Ses joues sont comme un parterre embaumé produisant des aromates. Ses lèvres sont des lis distillant de la myrrhe fluide.

[14] Ses mains sont des bracelets d'or remplis de topazes. Son ventre est une plaque d'ivoire couverte de saphirs.

[15] Ses jambes sont des piliers d'albâtre fondés sur des socles d'or fin. Son visage est comme le Liban : c'est l'élite, comme les cèdres.

[16] Son palais est la douceur même ; et tout son être est l'objet même du désir. Tel est mon chéri, tel est mon compagnon, filles de Jérusalem !

Ny fanirina tany ampiandohana dia fahalalana fa misy zavatra tsy ampy. Hoan’ny lahy dia ny vavy, torak’izany koa ny vavy dia hoan’ny lahy

Ny fanirina ara-nofo dia mikatsaka ny fifamenoana ny taovan’ny lahy amin’ny an’ny vavy ary ny an’ny vavy amin’ny lahy.

L’amour de désir a son origine dans le besoin de de trouver un bien qui manque. Pour un homme, ce bien, c’est la féminité, pour une femme, ce bien c’est la masculinité. Le désir sexuel recherche la complémentarité d’un sexe par l’autre, de la masculinité par la féminité, et de la féminité par la masculinité.

Ny fisarihana eo amin’ny lahy sy ny vavy  dia tsy ara-batana izay hitan’ny maso fa indrindra ny hakanton’ny olona manontolo

L’attirance entre homme et femme n’est pas seulement une attirance pour le corps, ce qui se voit, mais plus encore pour la beauté de la personne.

 

 Ny tena fitiavana dia tsy mihanona fotsiny amin’ny fahalemem-panahy na aminn’y fahatsapana ny soa omen’ny anankiray. Ny tena fitiavana dia fandraisana ny iray ho toy ny tolotra (fanomezana ) Ary ny mpifankatia  dia mifanao hoe : «  soa ny fisianao, ary miara-miaina isika ».  

Le vrai amour ne s’arrête pas à la douceur de la voix ou à une sensation de bien-être que l’autre nous donne.

Le vrai amour reçoit l’autre comme un cadeau.

C’est comme si les amoureux se disaient : « il est bon que tu existes, et que nous existions ensemble ».

 

Ny fahafinaretana ara-nofo dia famenon’ny fitiavana, raha tsy izany izy dia fitaovana ikatsahana hafinaretana fotsiny.  

La jouissance doit être subordonnée à l’amour. Sinon la personne devient un instrument pour obtenir une expérience plaisante.

Ny fanoherana ny filan’ny nofo  dia tafita rehefa tafaray ny vatana sy fanahy  (olona feno ).

Le défi de l'éros est vraiment surmonté lorsque l’unification entre le corps et l’âme est réussie.

 

 

 

Fitiavana toy ny fanomezana ary fahalemem-panahy (fiombonana)

L’amour comme don et bienveillance (agape)

Ny fahalemem-panahy dia fitiavana tsy mitaky tambiny.Rehefa mahatsapa ny maha sarobidy ny iray ny olona mifankatia dia fitiavana afaka manasoa ilay olo-tiany izany.

L’amour de bienveillance est un amour qui ne cherche pas son intérêt.

Lorsque les personnes qui s’aiment prennent conscience de la valeur de l’autre, leur amour devient capable de se faire service de la personne qu’ils aiment.

 

Fitiavana toy ny finamana : namako ianao, tena namako(na lahy na vavy)

L’amour comme amitié: tu es mon amie (ami), ma meilleure amie (mon meilleur ami)

« toy izany ny malalako,toy izany ny olon-tiako ».(Tononkira 5,16)

Ny hiaka mafy indrindra hoan’ny zanak’ olombelona dia ilay hiakan’ny fo mifanojo amin’ilay fo iray mba tsy hanirery, ao anatin’ny fifampitokisana  sy fifankatiavana madio.

Ianao no voafidin’ny foko, hitako ny hatsaram-po amam-panahinao ka dia voasarik’izany  aho.

« Tel est mon chéri, tel est mon compagnon » (Cantique des cantiques, 5 :16).

Le cri le plus profond de l’être humain est le cri du cœur pour rencontrer un autre cœur, pour sortir de son isolement, dans une relation de confiance, d’amitié.

Tu es l’élue de mon cœur. J’ai vu la bonté, la beauté de ton cœur, et j’ai été attiré.

                                                                                                      

Ny tena fifankatiavana dia :

  • Mifantoka amin’ny hafa ka: izay tiany no tiako.
  • Mavitrika: miasa hoan’ny hafa sady miaraka aminy.
  • Finaritra
  • Malemy fanahy
  • Marefo

L’amitié véritable est

  • Centrée sur l’autre : Ce qui t’intéresse m’intéresse 
  • Active : action pour l’autre et avec l’autre
  • Joyeuse
  • Bienveillante
  • Délicate

                                                                                                      

Ny vokatra voajanaharin’ny fifankatiavana marina dia:

  • Hafaliana sy fahafinaretana
  • Fivelarana hahatomombana
  • Fihoarana: ny fifankatiavana dia mikatsaka hatrany ho amin’ny tsara.

 

Les fruits naturels de l’amitié véritable sont

  • Joie et plaisir
  • Epanouissement : elle permet de se réaliser
  • Dépassement : L’amitié rend encore plus agréable l’exercice du bien

                                                                                                      

Ny fifankatiavan’ny mpivady dia misy toetra 4 (efatra) mampiavaka azy :

l  Fifankatiavan’ny lahy sy ny vavy

l  Ifanolorana mandrakizay

l   tsy manam-paharoa (tokana)

l  Mankamin’ny fiombonana ara-nofo

L’amitié conjugale a 4 caractéristiques particulières

  • c’est l’amitié d’un homme et d’une femme
  • qui se donnent pour toujours l’un à l’autre
  • dans une relation unique
  • qui s’étend à notre intimité charnelle

                                                                                                      

Ny Fifankatiavan’ny mpivady dia ara-nofo,izany hoe :mahakasika ny maha  olona manontolo(vatana sy fanahy ).Io fanomezana io no mahatonga ilay hoe  « olona » iray   « nofo » iray.

L’amitié conjugale est une amitié charnelle, c’est à dire qu’elle concerne toute la personne, corps et âme. Ce don mutuel fait d’une un seul « être », une seule « chair ».

                                                                                                      

Ny Konsily Vat II miresaka momba ny fitiavan’ny mpivady manao hoe : io fitiavana io dia mandrakotra  manontolo ny soan’ny maha  olona  feno Afaka mampitombo ny fahamendrehana manokan’ny vatana sy ny

Ara-tsaina ary mampisongadina ireo singa sy ny famantarana manokan’ny fifankatiavan’ny mpivady.

Le concile Vatican II parle de l’amour conjugal en disant : « cet amour enveloppe le bien de la personne tout entière; il peut donc enrichir d'une dignité particulière les expressions du corps et de la vie psychique et les valoriser comme les éléments et les signes spécifiques de l'amitié conjugale » [xviii].

 


 

Mitia olona iray ho an’ny tena ihany dia tsy manafoana ny fanaranam-batana sy ny fihetseham-po.

Aimer une personne pour elle-même ne supprime pas sensualité et sentiment

NY MITIA dia mitia olona iray. Fanaranam-batana, fihetsehampo, fifanolorana, fifankatiavana manokana, ireo rehetra ireo no mandrafitra ny tena fitiavana. Voasingotra ao am-po sy ampivoarintsika ny ambaindain’ny fitiavantsika.

Aimer, c’est aimer une personne. Sensualité, sentiment, don mutuel, amitié particulière, viennent tous ensemble parfaire notre amour : nous aurons à cœur de maintenir et de développer toutes les dimensions de notre amour.

Ny fanirina, ny fanomezana, ny finamana, dia mahakasika ny vatana sy ny fo, izany hoe:olona feno (manontolo).

l  Iriko ho eo akaikiko ianao, vatana sy fanahy.

l  Omeko anao ny tenako,ho anao manontolo.

l  Namako ianao, ianao,vatana,fanahy.

Isan’andro vaky  ny mpivady dia voaantso hamelombelona ireo toetra  roa ao amin’ny endrika telo ny fitiavan’izy ireo.

Le désir, le don, l’amitié concernent le corps et le cœur, c’est à dire toute la personne :

  • Je désire ta présence, corps et âme
  • Je me donne à toi, à ta personne, ton corps et ton âme
  • Tu es mon amie,  toi, corps et âme

Chaque jour les époux sont appelés à raviver les deux aspects de ces trois dimensions de leur amour.

 

 

 

Asa tsara, hafaliana, hafinaretana

Action bonne, joie et plaisir

Nirin’Andriamanitra mba avy amin’ny asa tsara no hipoiran’ny soa, hafinaretana, hafaliana

Dieu a voulu que d’un acte bon naisse bien-être, plaisir, joie.

 Lalàna  ankapoben’ny fiainana izany.

C’est une règle générale de la vie[xix][xx].

                                                                                                      

Fanomezan’Andriamanitra ho ahy ny fitiavana; nankinin’Andriamanitra amiko ny andefimandriko.

L’amour est un cadeau que Dieu me fait; mon conjoint m’est confié par Dieu

Tolotra avy amin’Andriamanitra ho ahy ny olo-tiako. Araka ny efa fantantsika, ny fanomezana dia manjary :

l  Andraikitra ho tanterahina, koloiko ny olona nankinin’Andriamanitra amiko

l  Antso natao hitiavako ilay nanome io fanomezana io dia Andriamanitra izany.

La personne que j’aime est un cadeau que Dieu me fait. Comme nous l’avons vu, un cadeau devient

  • une tâche à accomplir : prendre soin de la personne que dieu me confie
  • un appel à aimer Celui qui me fait ce cadeau, Dieu.

 

                                                                             


 

Eo anivon’ny fiombonan’ny mpivady hatrany ny Fanahy Masina

Le Saint Esprit est présent au cœur de la communion conjugale

Fonenana ny vatana,nefa koa,  tempoly iray,Tempolin’ny Fanahy Masina(1 Kor 6,19)

Le corps est une demeure, mais c’est aussi un temple, le temple du Saint Esprit (1 Cor. 6:19).

Ny fitiavana mampiray  ny lahy sy ny vavy dia fifanakalozana  ao amin’ny Fanahy Masina, noho izany ny mpivady dia mandray anjara amin’ny fiainan’Andriamanitra.

L’amour qui unit l’homme et la femme s’échange dans le Saint Esprit.

Ainsi, les époux participent à la vie divine.

 

Fiombonana amin’Andriamanitra

Communion avec Dieu

Ny  fiainana ny fiombonan’ny mpivady dia fandraisan’anjara amin’ny fiainan’Andriamanitra.Ny endrika rehetra ny fitiavana dia avy amin’ny fandavorariana io fiombonana. io : fanaranam-batana, fihetsehampo, fifankatiavana, hafaliana sy ny fahafenoana

Vivre la communion conjugale, c’est participer à la vie divine : Toutes les dimensions de l’amour viennent se parfaire dans cette communion : sensualité, sentiment, amitié, joie et plénitude.

 

Avy amin’ny fitiavana no ipoiran’ny aina

De l’amour jaillit la vie

Avy amin’ny endrik’izao tontolo izao sy ny fitiavana no ipoiran’ny aina .Mila fitiavana ny aina mba hivoatra, mila fotoana koa mba hivelarany

Dans tous les aspects du monde, de l’amour jaillit la vie : la vie a besoin d’amour pour se développer, l’amour a besoin du temps de la vie pour s’épanouir.

Ho hitantsika aoriana kely fa napetrak’Andriamanitra eo anivon’ny fitiavan’ny mpivady ny fampitana ny aina

Comme nous le verrons plus loin, Dieu a placé au cœur de l’amour conjugal la transmission de la vie.

 

 

Tonga Endrik’Andriamanitra, miombom-pitiavana, loharanon’aina ny mpivady

Le couple devient image de Dieu, communion d’amour source de la vie

Ny fiainana sy ny fahafatesan’i Kristy dia manambara ny tontolon’Andriamanitra : fiombonana, fitiavanaary aina.Nantsoiny isika mba hanaraka ny diany : nohariana tamin’ny Endrik’Andriamanitra, ny andraikitra nankinina amintsika dia mitarika antsika hitovy aminy.Hahafahan’izao tontolo izao hahalala ny tontolon’Andriamanitra izany.

La vie et la mort du Christ ont révélé la nature de Dieu : communion, amour et vie.

Nous sommes appelés à cheminer de l’image vers la ressemblance : créés à l’image de Dieu, la tâche qui nous est confié est de tendre vers la ressemblance.

Cela permettra au monde de connaître la nature de Dieu.

                                                                                                      


 

Ny Endrik’Andriamanitra feno dia ny fiombonan’ny olon-drehetra misokatra amin’ny fanomezana ny aina.

L’image complète de Dieu est une communion des personnes ouverte au don de la vie.

                                                                                                                                                                                                                                                                                                                     

 

 


Toko 6 : Fifanekena sy fampitana ny aina

Chapitre 6 Alliance et transmission de la vie

                                                                                                                                                               

Hanorina ny fanekeko aminao aho sady hahamaro tsy hita isa anao (Jen 17,2)

Ho jerentsika amin’ity toko ity, ahoana no mampifamatotra ny fifanekena sy ny fampitana ny aina?.Io fifamatorana amin’ny fiombonana sy fahariana io no vona fototry ny tetiarana. Ny olona tsirairay eto an-tany dia manana io haratom-pifandraisana io eo amin’ny olona iray rohim-pirazanana (tetiarana ) noho ny fifanakena sy ny taranaka mifandimby  

J'institue mon alliance entre moi et toi, et je t'accroîtrai extrêmement. Gen 17,2

Nous allons voir, dans ce chapitre, comment alliance et transmission de la vie sont intimement liées. C’est ce lien entre union et procréation qui constitue le nœud essentiel  de l’arbre généalogique. Chaque personne sur la terre trouve sa place dans ce tissu qui relie les humains d’une même génération (alliance) et des générations successives (filiation).

                                                                                                                                                                                                                                                                                                                              

Fifanekena

Alliance

Ny fifanatonana eo amin’ny lahy sy ny vavy dia mitarika azy ireo handao tsy hahatsiaro ny tenany hiala amin’ny  fitokanantena ka hanao fifanekena.

Io fihetsika io dia firotsahana miandalana amin’ireto  lafin’ny efatry ny fitiavana:

l  Fanaranam-batana

l  Fifankahazoana am-po

l  Fiekena ny hafa amin’ny maha izy azy manontolo

l  Fandraisana ny hafa ho toy ny fanomezan’Andriamanitra.

L’attirance mutuelle entre homme et femme, les conduit tous deux hors d’eux-mêmes. Ils quittent leur solitude et font alliance.

Ce mouvement est une intégration progressive des 4 dimensions suivantes de l’amour :

  • Sensualité
  • Sympathie
  • Reconnaissance de l’autre dans toute sa personne
  • Accueil de l’autre comme un don de Dieu.

 


 

Ny fanapahan-kevitra hifanaiky (mariazy) dia fahavononana hizara ny:

l  Tena manontolo (vatantsika sy ny fiainantsika,ny ho avy,fiainana isan’andro, ….

l  Mandrakizay

l  Eo anatrehan’ny tany sy ny lanitra

Décider de faire alliance (le mariage) c’est décider de partager

  • Tout : toute notre vie, notre corps, notre âme, notre vie quotidienne, notre avenir,...
  • Pour toujours :
  • Face à tous

Izany hoe mifanolotena izy roroa 

C’est en fait se donner l’un à l’autre.

 

 

Ny manao fifanekena dia fandraisana miaraka

Ny anjara toerana eo amin’ny tetiarana ka manomboka eo dia :

l  Iray ny fianakaviantsika

l  Ny taranantsika dia taranaky nyfianakaviana roa tonta.

Faire alliance, c’est prendre sa place ensemble sur l’arbre généalogique. A partir de ce moment

  • Nos familles sont unies
  • Notre descendance est la descendance de nos deux familles

 


 

Mampita ny aina

Transmettre la vie

Ao amin’ny fifaneken’ny mpivady no ametrahan’Andriamanitra ny fampitana nyaina.

Mpiara-miombon’antoka amin’Andriamanitra ny mpivady. Ny fahalalahan’Andriamanitra mpahary dia mifanojo amin’ny an’ny olombelona. Raha vao mirotsaka handray sy hizara ny fanomezana ny aina ny dia mandray andraikitra avy hatrany,tsy ho amin’ny zaza aterany ihany fa ny taranaka  ho avy rehetra.

C’est dans l’alliance du couple que Dieu a placé la transmission de la vie.

Les époux sont coopérateurs du dessein de Dieu : la liberté créatrice de Dieu rencontre la liberté de l’homme !

Quand un mari et une femme s’engagent à prendre le relais et à partager le don de la vie, à leur tour, ils prennent une part de responsabilité, non seulement pour leurs propres enfants, mais les générations à venir.

 

Ny fiombonan’ny mpivady dia fiombonana eo amin’ny taranaka

La communion conjugale est communion entre les générations!

Ny fianakaviana no manova ny fiombonan’ny mpivady ho fiombonan’ny taranaka.

La famille transforme la " communion conjugale [en] une communion des générations"[xxi].

Fiaraha-monina

Société

Ny fiombonan’ny olona rehetra dia mamorona soa iombonana iray izay fototra mampiorim-paka ny fiaraha-monina izay  mampandroso ny tena fitiavana.

La communion des personnes constitue un authentique bien commun qui est à la base de la fondation de la société et qui rend la civilisation de l’amour possible[xxii].

                                                                                                         


 

Nahoana no ao anatin’ny Fanambadiana Mariazy ihany vao manana ny lanjany ny firaisana ara-nofo ?

Pourquoi la relation sexuelle trouve sa place adéquate seulement dans le mariage ?

FAMANTARANA HIAINANA 0 MAHA KRISTIANINA NY FITIAVANA, NY MARIAZY, ARY NY FIANAKAVIANA  (FAAF), pejy  32

REPERES POUR VIVRE EN CHRETIEN L'AMOUR,

LE MARIAGE ET LA FAMILLE, FAAF, page 32

Amin’ny lafiny iray,ny firaisana ara-nofo dia toerana entin’ny mpivady maneho ny fifanekem-pihavanan’izy roa, noho izany, amin’ny fianakaviany ihany koa, ankoatr’izy dia sehatra famindrana aina, ka manome taranaka azy roa sy mampiditra ny zanak’izy ireo amin’ny tantara sy ny tetiharam-pianakaviana. 

L’union sexuelle entre les conjoints apparaît, d’une part comme lieu d’expression de l’alliance entre les membres du couple et donc entre leurs familles, expression ouvrant au plaisir, et, d’autre part, comme lieu de la transmission de la vie, donnant une descendance aux membres du couple et une filiation à leurs enfants.

Tsy tanteraka ilay fitiavana irin’ny lehilahy sy ny vehivavy raha tsy « nanao fifanekem-pihavanana » ny lahy sy ny vavy.

L’amour auquel aspirent l’homme et la femme ne peut exister que lorsque homme et femme ont fait alliance

Nohariana mitovy Endrika amin’Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy. Ilay fitiavana irin’izy ireo dia endrik’ilay fitiavana sitrak’Andriamanitra ; Andriamanitra no manome azy : fitiavana feno sy maharitra. Ny firaisana ara-nofo dia mampiseho io fitiavana io, izay sady ara-batana no ara-panahy ka lahy sy.vavy no miaraka.Tsy tanteraka ny fitiavana toy izany raha tsy nanao fifanekem-pihavanana ny lahy sy ny vavy. Tsy inona izany fanekem-pihavanana izany fa ny mariazy.

Homme et femme sont créés à l’image de Dieu. L’amour auquel aspirent l’homme et la femme est à l’image de l’amour dont Dieu aime ; cet amour se reçoit de Dieu : c’est un amour total et pour toujours. L’union sexuelle exprime cet amour, charnel et spirituel, entre homme et femme. Un tel amour ne peut exister que lorsqu’homme et femme ont fait alliance. Cette alliance, c'est le mariage.

                                                                                                                                                                                                                                                                                                                              

Ao anatin’ny Fanambadiana (Mariazy) ihany koa vao manana ny lanjan’ny fampitana ny aina 

La transmission de la vie ne trouve, elle aussi, sa place adéquate qu’au sein du mariage

.Tsy manana  ny lanjany ny fampitana ny aina raha tsy ao amin’ny fanambadiana (mariazy)izay sehatra tokana ahaaahan’ny olona mitombo sy miditra amin’ny fianakavina nipoirany

La transmission de la vie ne trouve, elle aussi, sa place adéquate qu’au sein du mariage, seul cadre qui permet à une personne de grandir et de s’inscrire dans une filiation clairement établie.

 

Nahoana ny kristianina no tsy miala amin'ny fomba voajanahary?

Pourquoi le chrétien adhère-t-il aux méthodes naturelles ?

 

REPERES POUR VIVRE EN CHRETIEN L'AMOUR,

LE MARIAGE ET LA FAMILLE, FAAF, 43

Manaiky ny kristianina satria zanak'Andriamanitra. Ary Andriamanitra Rainy te hiara-hiasa aminy amin'ny fanohizam-pahariana ny olombelona.

Fanomezana manokana io fiaraha-miasa amin'Andriamanitra io satria amin'ny alalan-draolombelona Andriamanitra no manohy ny asa fahariany. amin’ny alalan’ny fiantsoana  fahaterahana  aina vaovao

 

Le chrétien adhère parce qu’il est fils de Dieu. Dieu son père dont il est l’image a voulu les choses ainsi en liant union et procréation [..]

Le créateur ne s’est pas trompé en voulant les choses ainsi et l’homme ne se trompe pas en suivant l’ordre établi par le créateur. C’est de cette manière que l’homme et la femme deviennent véritablement procréateurs, prolongeant en quelque sorte la création en appelant à la vie de nouveaux enfants. 


 

Toko 7 :  Ny fisarahana sy ny fanavotana

Chapitre 7 : La fissure et la rédemption

                                                                                                      

Ny “fisarahana ” dia mandindona izay rehetra nakamban’ny fitiavana :

  • Ny olona sy ny Mpahary
  • Ny lehilahy sy ny vehivavy
  • Ray aman-dreny sy Zanaka
  • Ary na dia ny olona amin’ny tenany

Une “fissure” menace tout ce que l’amour a unit:

  • l’homme et le Créateur,
  • l’homme et la femme,
  • parent et enfant,
  • et même l’Homme avec lui-même.

                                      

Fisarahana eo amin’ny olombelona sy Andriamanitra

Fissure entre l’homme et Dieu

Ny Jenezy dia manambara fa ny fisarahana dia vokatry ny safidin’ny olombelona hatrany am-piandohana izay  nanapaka ny rohy nampifandray azy  tamin’Andriamanitra,fototry ny fanomezana rehetra.

La Genèse montre que la fissure trouve son origine dans le choix de l’homme de couper ses liens avec Dieu, source de tout don.

Ny fihinanana  ny voan’ny hazo fahalalana  ny tsara sy ny ratsy  dia maneho ny safidy ho an’ny tena ny hevitry ny fiainana

La consommation des fruits de l’arbre de la connaissance du bien et du mal représente le choix de déterminer soi-même le sens de la vie.

 


 

Jen 3, 1-12

Gen. 3,1-12

1- ny bibilava no fetsy indrindra amin’ny biby rehetra eny an-tsaha izay nataon’Iaveh Andriamanitra.

2- Hoy izy tamin-dravehivavy :  hay va re Andriamanitra nanao hoe “aza mihinana amin’ny hazo rehetra ao amin’ny saha ianareo

[1] Le serpent était le plus rusé de tous les animaux des champs que Yahve Dieu avait faits. Il dit à la femme : "Alors, Dieu a dit : Vous ne mangerez pas de tous les arbres du jardin ?"

2- Hoy ny navalin-dravehivavy ny bibilava :mihinana amin’ny voan’ny hazo amin’ny saha izahay

[2] La femme répondit au serpent : "Nous pouvons manger du fruit des arbres du jardin.

3- Fa ny voan’ny hazo eo afovoan’ny saha no nanaovana’Andriamanitra taminay hoe :aza mihinana amin’izany ary aza mikasika amin’izany akory,fandrao maty ianareo.

[3] Mais du fruit de l'arbre qui est au milieu du jardin, Dieu a dit : Vous n'en mangerez pas, vous n'y toucherez pas, sous peine de mort."

4- dia hoy ny bibilava tamin-dravehivavy :” tsia  ! tsy ho faty akory ianareo !

[4] Le serpent répliqua à la femme : "Pas du tout ! Vous ne mourrez pas !

5- Fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo amin’izany, dia hisokatra ny masonareo ka ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, mahalala ny tsara sy ny ratsy »

[5] Mais Dieu sait que, le jour où vous en mangerez, vos yeux s'ouvriront et vous serez comme des dieux, qui connaissent le bien et le mal."

6- Ary hitan-dravehivavy fa ny voan’ilay hazo dia fihinana,mahatehijery sy mendrika ho irina, mba hahazoana fahiratantsaina, nioty tamin’ny voany izy dia nihinana ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy,ary nihinana izy. 

[6] La femme vit que l'arbre était bon à manger et séduisant à voir, et qu'il était, cet arbre, désirable pour acquérir le discernement. Elle prit de son fruit et mangea. Elle en donna aussi à son mari, qui était avec elle, et il mangea.

7-Nisokatra ny mason’izy mivady, ary fantany fa nitanjaka izy, ka nanjaitra ravin’aviavy izy iro ka nataony sikina.

[7] Alors leurs yeux à tous deux s'ouvrirent et ils connurent qu'ils étaient nus ; ils cousirent des feuilles de figuier et se firent des pagnes.

8-Tamin’izay dia ren’izy ireo ny feon’Iaveh Andriamanitra nandalo tao amin’ny saha rehefa nangatsiatsiaka ny andro  ka niery an’Iaveh Andriamanitra  tao anaty hazon’ny saha ralehilahy sy ny vadiny.

[8] Ils entendirent le pas de Yahve Dieu qui se promenait dans le jardin à la brise du jour, et l'homme et sa femme se cachèrent devant Yahve Dieu parmi les arbres du jardin.

9- Fa Iaveh Andriamanitra niantso an-dralehilahy nilaza taminy hoe : « aiza moa ianao ? » 

[9] Yahve Dieu appela l'homme : "Où es-tu ?" Dit-il.

10- “Nandre ny feonao tao anaty saha aho ka natahotra,fa mitanjaka ka dia niery aho”.

[10] "J'ai entendu ton pas dans le jardin, répondit l'homme ; j'ai eu peur parce que je suis nu et je me suis caché."

11- Ary hoy Iaveh Andriamanitra : Iza no nahafantaranao fa mitanjaka  ianao ? Moa nihinana  tamin’ny hazo norarako tsy hihinanao  va ianao ?

[11] Il reprit : "Et qui t'a appris que tu étais nu ? Tu as donc mangé de l'arbre dont je t'avais défendu de manger !"

12- Hoy ny navalin-dralehilahy :” ny vehivavy izay napetrakao eto amiko no nanome ahy tamin’ilay hazo dia nihinana  aho ! »

[12] L'homme répondit : "C'est la femme que tu as mise auprès de moi qui m'a donné de l'arbre, et j'ai mangé !"

                                                                                                                                                                                                                                                                                                                     

 

Vokatry ny fandavana ny fanomezan’Andriamanitra

Conséquences du refus du cadeau (don) de Dieu

Ny safidy avy aminao dia ny fomba fitondranao tena,ambaran’i Md Joany hoe  « fitsiriritana » : feo iray izay mibitsika ao ampon’ny olona ary milaza aminy fa ny tontolo  dia :

·         Tsy tolotra  ho raisina

·         Fa efa fanananao !

Le choix de juger lui-même de la façon de conduire sa vie amène ce que St Jean appelle la « convoitise » : c’est une voix qui parle dans le cœur de l’homme et lui dit que le monde

  • n’est pas un don à recevoir
  • mais un bien à posséder !

« satria ny zavatra rehetra amin’izao tontolo izao ny filàn’ny nofo, ny fitiavan’ny maso, ny rehaka amin’izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray  fa avy amin’izao tontolo izao » (1 joany 2, 16).

« Car tout ce qui est dans le monde - la convoitise de la chair, la convoitise des yeux et l'orgueil de la richesse - vient non pas du Père, mais du monde. » 1, Jean 2 :16

Ny olona dia mirona aminn’ fampiasana izay nomena azy ary natao izy hitia sy hitandro  an’izany 

L’homme tend alors à utiliser pour lui ce qui lui a été donné et qu’il est appelé  à chérir et préserver :

                                                                                                                                                                                                                                                                                                                     

Ny fisarahana ao amin’ny olona

Une fissure au sein de l’Homme

Ny olona dia tsy manaja ny vatany intsony ho fonenana,na tempolin’ny Fanahy.

L’homme ne regarde plus son corps comme une demeure, ni comme le temple de l’Esprit.

Ny fisarahana eo amin’ny lahy sy ny vavy

Une fissure entre l’homme et la femme

Ny vatana no toeram-pihaonana eo amin’ny lahy sy ny vavy : Nofo ny nofoko, hoy ny lehilahy voalohany rehefa nahita ny vehivavy voalohany.”

Le corps est le lieu de rencontre entre le mari et sa femme: ”C’est la chair de ma chair”, dit le premier homme en voyant la première femme.

Rehefa tsy mandray intsony ny vadiny izay fanomezana  ho azy avy amin’Andriamanitra ny lehilahy dia tsy ho afaka hanome intsony ny tena fitiavana marina izy.

Ny fihetseham-pon’ny lehilahy (vehivavy) dia tsy mirona intsony amin’ilay olon-tiany, voakorontana ny fomba fijery.

Quand l’Homme cesse de recevoir son conjoint comme un don que lui fait le Créateur il ne peut plus se donner dans la vérité de l’amour.

Les émotions de l’homme (de la femme) ne sont plus orientées vers le cœur de son bien-aimé(e), ses perceptions sont perturbées.

                                                                                                                                                                                                                                                                                                                     

Fifanamelohana

Accusation mutuelle

                                                                                                      

Ny tantaran’ny olombelona, tantarantsika dia   tsy fahombiazana mitohy ao amin’y fanatanterahana  ny ho nofo iray eo amin’ny mpivady ! 

L’histoire humaine, notre histoire, est une longue série d’échecs dans la réalisation d’une seule chair entre les époux. Que de souffrances!

Ny fanambadiana matetika dia lasa tantara lavaren’ny fifanamelohana sy ny  famoretana (fanjakazakana )

Le mariage est bien fréquemment changé en une longue histoire d’accusation mutuelle et de domination mutuelle.

 

                                                                                                      

Hoy navalin-dralehilahy :  «  ny vehivavy izay napetrakao eto amiko no nanome ahy ilay hazo dia nihinana aho » 1 Jen 3, 12

“L'homme répondit : "C'est la femme que tu as mise auprès de moi qui m'a donné de l'arbre, et j'ai mangé !"” Gen 3,12.

Izany fiampangana izany dia manapoizina ny fiainan’ny mpivady. Tsy mahatsiaro tena akory fa mamerina ny hadisoana hatramin’ny nataon’i Adama sy Eva. Raha nandray ny vadiny ho fanomezana nankinin’Andriamanitra taminy izy ireo  dia ho hafa ny toetrany 

Ces accusations empoisonnent la  vie des époux. Ils ne se rendent pas compte qu’ils reproduisent l’erreur de toutes les générations depuis Adam et Eve.

S’ils recevaient leur conjoint comme un don que Dieu leur confie, il en serait autrement !

                                                                                                      

 

 « hankamamin’ny vadinao ny fanirianao ary hizaka anao »  Jen 3, 16

Ta convoitise te poussera vers ton mari et lui dominera sur toi."” (Gn 3:16).

Ny fironana mankamin’ny fanjakazakana dia miafara amin’ny  fijaliana mihatra amin’izy ireo ka mandrava ny fiombonana.

La tendance à la domination mutuelle va au-delà de la souffrance qu’ils en subissent: cela rompt leur unité.

 


 

Fisarahan’ny Ray aman-dreny sy ny zanaka

Une fissure entre parents et enfants

Mizaka ny tsy eran’ny ainy ny zanaka vokatry ny fisaraha  izay mandratra ny fitiavan’ny Ray aman-dreniny :

·         Mijaly ny fisavorovoro  eo amin’ireo olo-tiany

·         Tsy mahita ilay fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra izay tsy maintsy ho nalainy tahaka tamin’ireo Ray aman-dreniny. 

Les enfants souffrent doublement de la fissure qui blesse l’amour de leurs parents :

  • Ils souffrent de la tension entre ceux qu’ils aiment
  • Ils sont privés de la manifestation de l’amour de Dieu dont leurs parents devraient être l’image

                                                                                                                                                                                                                                                                                                                     

Ny fisarahana  akory tsy fiafaran’ny tantara !

La fissure n’est pas la fin de l’Histoire !

 

 

Création = fahariana ( fanomezana  avy amin’ny fanekena  tany ampiandohana )

Chute = fahalavoana ( tsy miraharaha ny fitiavan’Andriamanitra ny olona )

Rédemption = fanavotana (tonga i Kristy hanasitrana ny tsy fahaiza-mitia).


 

Toko 8 : Ny Fitsipiky ny fiainana

Chapitre 8 : La grammaire de la vie

                                                                             

Ny faniriam-pahasambarana

Le désir de bonheur

Ny soa sy ny fahasambarana

Le bien et le bonheur

Manana fahatokisana isika ao anatintsika  ao vokatry ny hafaliana sy fahasambarana

Nous avons au fond de nous la certitude que du bien résulte la joie, le bonheur.

Izany no manosika antsika ho amin’ny soa sy ny marina ary  tsara

Cela nous incite à agir pour le beau, le vrai et le bien.

Fiombonana sy hasambarana

Communion et bonheur

Misy fanantenana mipetraka ao anatintsika ao : ny fiombonan’ny olona dia loharanom-pahasambarana

Manamarika izany :

  • Ny fifadraisantsika tamin’’i neny tamin’ny fotoam-pahazazantsika
  • Tamin’ny fifandraisantsika tamin’ireo ray aman-drenintsika
  • Tamin’ny fifandraisantsika tamin’ireo Raibe sy Renibentsika
  • Sns

Au fond de nous, une promesse est placée : la communion entre les personnes est source de bonheur.

Nous en avons fait l’expérience :

  • dans le partage avec notre mère dans notre petite enfance,
  • dans notre relation avec nos grands-parents,
  •  etc..

Manembonembona  ireo fotoana niarahana taloha tamin’ny hafanan’ny fifandraisana  maha olona

Nous avons

la nostalgie de ces moments  passés « ensemble » dans la chaleur des relations humaines.

Izany  dia mitarika antsika  hiala amin’ny  tenantsika hiombona amin’ny hafa.Tsy vokatry ny saina fotsiny izany.  Ao anatin’ny fandaharan’Andriamanitra izany : « tsy tsara raha irery ny olona. Asain’Andriamanitra ho amin’ny fiombonana isika., mba hiainantsika ny fiainany, fiombonan’ny Trinité ( tokana olona telo)  

Cela nous incite à sortir de nous-même pour entrer en communion. Cet appel est plus qu’un phénomène psychologique. Cela fait partie du dessein de Dieu : il n’est pas bon que l’Homme soit seul ; Dieu nous invite à la communion, pour nous donner de vivre de Sa vie, communion trinitaire.

 

Ny fitsipiky ny fiainana

La grammaire de la vie

Ny  natiora dia manana fitsipika arahina mba hahatrarana ny haitontolo iainana.Ny fiainan’ny olombelona kosa dia manana fitsipika arahina mba hitandrovana tsara ny tontoloiainan’ny olombelona ; ny fitsipiky ny fiainana.

La nature a des règles à suivre pour une bonne écologie environnementale.

La vie humaine a, elle aussi, des règles à suivre pour une bonne écologie humaine: la grammaire de la vie.

Ity fitsipika ity, ny zaza tsirairay dia mianatra azy avy amin’ny alalan’ny fihetsika  sy fijerin’ny Ray sy ny Reny alohan’ny hianarany amin’ny fiteniny  (Hafatry Benoît XVI, andro eran-tany ho an ny fandriampahalemana 1 janoary 2008)

Cette grammaire, tout enfant « l’apprend des gestes et des regards de sa mère et de son père, avant même que de l'apprendre de leurs paroles." (Message de Benoît XVI pour la célébration de la journée mondiale de la paix 1er Janvier 2008)

Ny fitsipi-piainana dia miresaka momba  ny :

l  Fahatsorana

l  Ny hitsiny

l  Halemem-panahy

l  Fifantohana

l  Ny fahalalampomba

l  sns

 

La grammaire de la vie parle de

  • gentillesse,
  • droiture,
  • délicatesse,
  • attention mutuelle,
  • de politesse,
  • etc.

 

Mandritra ny sehatr’asa dia hanadihady ny Soatoavina izay ampitaintsika amin’ireo zanantsika, ao amin’ny kolontsaintsika  isika.

Pendant les séances de travail, nous

analyserons les valeurs que nous transmettons à nos enfants, dans notre culture.

Ao amin’ny kolontsaina tsirairay dia ahitana ny « tena Soatoavina »ary ny sasany dia ilaina ny hitoriana azy.

Hampiasantsika ny mason-tsivana mba hahafahantsika mamakafaka ny kolontsaintsika :

  • Soatoavina « mba hisainana »
  • Fahendrena « mba hijoroana sy hiasana »
  • Fepetra “ mba hiaraha-mientana”   

Dans chaque culture il y a de « vrais valeurs » et d’autres qui nécessitent d’être évangélisées.

 

Nous utiliserons une « grille de lecture » pour analyser notre culture :

  • Valeur, « pour penser »
  • Vertus, « pour être et agir »
  • Principes, « pour agir ensemble »

 

 

 Mandritra ny fiofanana dia ho jerentsika amin’io lohahevitra io hoe ahoana no ianaran’ny zaza avy amin’ny fihetsika sy fijerin’ny Ray sy ny Reny ireo Soatoavina izay azo sokajiana toy izao :

  • Ny Fahamendrehana, fanajana, sns
  • Hatsaram-panahy  oh : ny faharetana, ny fahatsorana, ny fahalalam-pomba, sns
  • Ny fepetra,oh ; fifanampiana, fijerena ny madinika, fanomezana andraikitra ny zaza,sns ,

Lors des sessions sur ce thème nous verrons comment toutes ces « valeurs » que l’enfant apprend des gestes et des regards de sa mère et de son père peuvent être classées parmi

  • les valeurs (par exemple, l’honnêteté, respect, équité, etc..),
  • les vertus (par exemple, la patience, la franchise, délicatesse, etc..),
  • les principes (par exemple, l’entraide, faire place au plus faible, donner des responsabilités à mes enfants, etc..)

Ny Soatoavina   hisainana 

 

Les valeurs, pour penser

Fahamarinana

Vérité

Ny olona dia afaka mikatsaka ny  marina  ary mampiasa ny sainy mba hanavahana izay  soa, tsara ary marina.

Les Hommes peuvent rechercher ce qui est vrai, en utilisant leur raison pour discerner ce qui est bon, bien et juste.

Fantaro ange fa ny saina irery ihany  no afaka mitondra amin’ny fandraisana vilana ; ny fitiavana no afaka manilo ny saina ary tena ilaina izany hizorana any amin’ny soa,ny  tsara  ary ny marina.

Reconnaissons que la raison seule peut conduire à des interprétations fausses; il est nécessaire que la raison soit éclairée par l'amour pour qu’elle oriente vers le bien, le beau et le vrai.

Ny fifampiresahana dia ahafahana  mikatsaka miaraka ny  marina na dia eo aza ny ahiahy sy ny tsy fifanarahana dia ireo no manentana  antsika hanohy ny fandinihana amim-panetren-tena. 

Le dialogue permet de rechercher ensemble ce qui est vrai, même s'il demeure souvent des incertitudes et des désaccords invitant à la poursuite de la réflexion, avec humilité.

Fahalalahana  (fahafahana )

Liberté

Averina matetika fa ny fahafahana dia mijanona ho fahaleovantena amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra manao asa tsisy an-tery.

Nefa ny fahalalahana dia mihoatra izany,manana ny fepetra ahafahana mitondra  ny fiainana ho any amin’ny tsara, ny soa ary ny marina  izay manintona antsika

On réduit souvent la liberté à l’autonomie de décision, à « pouvoir agir sans contrainte ».

 

Mais, être libre c’est plus encore avoir des conditions qui permettent de mener sa vie, de tendre vers le bien, le beau et le vrai qui nous attirent

Rariny, hitsiny

Justice

Ny tena hitsiny, rariny dia mipetraka amin’ny fitsipika hikatsahana izay mahasoa  ka hivoaran’ny maha olona sy ny olona rehetra

La bonne justice fonde ses règles sur une recherche de ce qui est bénéfique pour la promotion de tout homme et de tout l'homme.

Fitiavana

Amour

Ny fahalemem-panahy sy ny fitodihana amin’ny hafa dia fihetsika ateraky ny fitiavana.1 Kor 13, 4-7

4- Ny fitiavana dia sady maharipo no malemy fanahy, ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo.

5- Tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao andolom-po.

6- Tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona fa mifaly noho ny fahamarinany.

7- Manala tsiny ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra,  mandefitra ny zavatra rehetra.

La bienveillance et l’attention à chacun sont des attitudes concrètes qui viennent de l’amour.

1, Cor, 13 :4-7

[4]La charité est longanime; la charité est serviable; elle n'est pas envieuse; la charité ne fanfaronne pas, ne se gonfle pas;

[5]elle ne fait rien d'inconvenant, ne cherche pas son intérêt, ne s'irrite pas, ne tient pas compte du mal;

[6]elle ne se réjouit pas de l'injustice, mais elle met sa joie dans la vérité.

[7]Elle excuse tout, croit tout, espère tout, supporte tout.

                                                                                                      

Mampirindra sy mandahatra araka ny ambaratonga 

Harmoniser et hiérarchiser

Ilaina ny mianatra mandahatra araka ny lanjan’ ny Soatoavina

Il est nécessaire d’apprendre à hiérachiser les valeurs.

Fitiavana sy fahamarinana

Amour et vérité

Mitana ny maha izy azy ny fitiavana rehefa manome lanja ny fahamarinana

Un amour est vraiment lui-même seulement s'il tient compte de la vérité.

Rariny sy fahafahana

Justice et liberté

Inona no ilana ny fitsarana mamotika ny fahafahana, ary ny fahafahana tsy  mitodika  amin’ny rariny ?

Que vaudraient une justice qui détruirait la liberté, et une liberté qui ne serait pas orientée vers la justice?

 


Chaste = fadiovana

Ny hatsaram-panahy, ireo, paik’adin’ny fitiavana

Vertus, stratégies de l’amour[xxiii]

Mampihatra ny fitsipika

Appliquer les règles ?

Maro amintsika no mampiaraka ny fampiharana  fitsipika ho toeram-pahatsarana. Nefa tsy izany no izy.

La plupart d’entre nous associent le mot vertu avec  l’application de règles. Mais ce n’est pas cela.

Miezaka  mioitra amin’ny herin’ny tena ?

Faire effort sur moi-même ?

Voatarika isika hieritreritra fa ny fiezahana  hihoatra ny tena no mahatonga amin’ny fahamboniana. nefa matetika mandamoka izany.

Nous avons aussi tendance à croire que c’est seulement en faisant effort sur nous même que nous allons devenir vertueux. Mais bien souvent, nous échouons.

 

 

Manaiky ho tarihin’ny fitiavana

Se laisser attirer par amour

Ny fiekena an’izany tokoa no mahatonga antsika ho tsara toetra, tsy ho tonga amin’izany isika raha tsy eo ny fitiavana

C’est en fait en se laissant attirer par l’amour que nous devenons vertueux ! Sans l’amour, nous n’en serions pas capables.

Ny namana no mitarika antsika ho amin’ny tsaratsara kokoa, izany hoe halemy fanahy

Les amis nous attirent, nous aident à tendre vers le bien, c’est à dire à devenir vertueux

 

Ny fahononantena, ny hery, ny rariny  ary ny fahamalinana ( fototry ny hatsaram-panahy 4 ) dia fanehoana ny fitiavana.

La tempérance, la force, la justice et la prudence (les 4 vertus cardinales) sont les expressions de l’amour.

Ny  Fahamalinana dia toe-tsaina ahafahana manavaka ny tena tsara ka misafidy ny fomba mahomby hanatrarana izany. Izy no mitantana ny hatsaram-panahy hafa, ka manoro ny fitsipika sy ny refiny.

Ny Rariny dia manaitra ny sitrapo matotra hanome ny hafa  izay tsy maintsy ho azy.

Ny hery dia miantoka ny fahatoniana eo anatrehan’ny olana sy ny fitoziana amin’ny fikatsahana ny tsara. Mety mandeha hatramin’ny fanaovana sorona ny tena mba hiarovana ny marina.

 Ny Fahononantena dia mandrindra ny fisarihan’ny hafinaretana, miantoka ny fifehezana ny sitrapo manoloana ny filana ary afaka mandrindra ny fampiasana ny tsara nohariana.

La prudence dispose la raison à discerner en toute circonstance notre véritable bien et à choisir les moyens appropriés pour l’atteindre. Elle guide les autres vertus, en leur indiquant leur règle et leur mesure.

La justice consiste dans la volonté constante et ferme de donner à autrui ce qui lui est dû.

La force assure la fermeté dans les difficultés et la constance dans la recherche du bien; elle peut aller jusqu’à la capacité de faire éventuellement le sacrifice de sa vie pour défendre une juste cause.

La tempérance modère l’attrait des plaisirs, assure la maîtrise de la volonté sur les instincts et rend capable d’équilibre dans l’usage des biens créés.

 


Fepetra

Principes

Ny fepetra asehontsika dia ireo toetra hamaritra ny fitsarana hahafahana miasa miaraka.

Les principes présentés ici sont les critères de jugement pour agir ensemble.

Ny tanjona dia ho fampivoarana ny maha olona sy ny olona rehetra.Ny fahamendrehan’ny olona no fototry ny fepetra rehetra.

Le but: agir en vue d'une promotion de tout Homme et de tout l'Homme. La dignité de l’homme est à la source de tous les principes.

 

Ireo fepetra efatra :

·         Fananana  iombonana

·         Fandraisan anjara

·         Fanampiana

·         Firaisan-kina

Les 4 principes :

Bien commun

Participation

Subsidiarité

Solidarité


 

Soa iombonana

Bien commun

 

 

  • Manana ireo fananana iombonana : ireo toeram-pitsaboaan (hopitaly), làlana,sns izay niarahantsika  nanao fa tsy vitan’ny olona iray irery.
  • AVOIR des biens en commun: les hôpitaux, les routes, etc.. tout ce que nous avons ensemble et qui ne pourrait être créé par l’un d’entre nous, seul
  • Ny Maha izy dia soa iombonana, itambarana : ny vady ( lahy, vavy ) ny fianakaviana, ny fiaraha-monina dia soa iombonana ka miaraka  isika rehetra. 
  • ETRE un bien ensemble, en commun: le mari et sa femme, la famille, la société, sont des biens communs, que nous “sommes” ensemble
  • Manamboatra  fananana iraisana, miaraka. Rehefa maro dia afaka mahavita zava-dehibe, asa soa, izay tsy ho vitan’olo-tokana.
  • FAIRE un bien ensemble, en commun: à plusieurs nous pouvons réaliser de grande chose, faire de bonnes actions, que nous ne pourrions pas faire seul.

 


 

Fanampiana  (fanomezan-tanana)

Subsidiarité

Ny ambaratonga ambony amin’ny fiaraha-monina dia tsy maintsy manamora ny asan’ny ambaratonga ambaniny, tsy maka ny toerany amin’ny fanatanterahana  ny asa izay iandraiketany. Ny Ray aman-dreny no tompon’andraikitry ny zanany.

 Ny Fitondram-panjakana dia manaja ny fanampiana fotsiny ,manome torolalana ny zanaka mikasika ny fiainam-pananahana  kanefa tsy maintsy mandalo amin’ny ray aman-dreny izany. 

Tout échelon supérieur de la société doit faciliter l’action d’un échelon inférieur, pas le remplacer dans la réalisation des actions qui sont de sa responsabilité. Les parents sont responsables des enfants.

Les pouvoirs publics respectent la subsidiarité seulement s’ils passent par les parents pour donner des recommandations aux enfants en matière de vie sexuelle.

Fandraisan anjara

Participation

Manome toerana ny olon-drehetra amin’ny fanapahan-kevitra sy ny hetsika  mahakasika azy ireo.

Donner une place aux personnes dans les décisions et les actions qui les concernent.

Firaisan-kina

Solidarité

Tsy ho  fangorahana fotsiny. Fa famaritana tanteraka ny hatao ho fikatsahana ny soan’ny isam-batan’olona sy ny olona rehetra . 

Ce n’est pas simplement une compassion. C’est la détermination d’agir en faveur du bien de tout homme et de tout l’homme.

 


 

Toko 9 : Ny hazon’ny Safidy

Chapitre 9 : L’arbre des choix

                                                                                                                                                          

Fahamarinana, fahombiazana ary ny ilàna

Vérité, efficacité et utilité

Mazàna ny fahombiazana sy ny ilàna no aroso rehefa handray fanapahan-kevitra. Fomba mahazatra ny mandre hoe: ilàn’ny Fiaraha-monina ve izany ? na koa «  Antitra aho,nefa mbola ilaina »

Ny EVF dia manainga antsika hanavaka :

·        Ny soatoavina amin’ny maha izy azy sy ny fahamarinany.

·        Ary ny ilàna azy   

Bien souvent, le critère avancé pour prendre une décision est celui de l'efficacité et de l'utilité. Il est commun d'entendre des expressions telles que "est-ce utile à la société ?", voire, "je suis vieux mais encore utile".

L'éducation à la vie va inviter à distinguer

·         la valeur des choses en elle-même, leur vérité,

·         et leur utilité.

 

Fepetran’ny safidy

Critères de choix

  • Ny fototry ny fanapahan-kevitra dia tena ilaina mba hahafahana mikatsaka ny soa, ny tsara,ny marina,ny fanirina hamaly ny antson’Andriamanitra sy  fandraisana ilay tolotra avy  Aminy.
  • Mba ho tafita dia tsy maintsy  manoritra  asa ho valin’ny antso tsapantsika : Raisintsika ny tolotra ho antsika avy amin’Andriamanitra  ka tontosaintsika  ny asa mifandraika amin’izany fanomezana izany
  • Omen’Andriamanitra antsika ny hery ilaintsika  ary mamela ny fahalementsika Izy. 

·         Il est nécessaire que les motifs des décisions (les racines) soient la recherche du bien du beau et du vrai et le désir de répondre à l'appel de Dieu : c’est accueillir le don de Dieu

·         Pour réussir, nous posons des actes en réponse à l’appel que nous ressentons : nous accueillions le don que Dieu nous fait, en accomplissant les tâches qui sont associés à l’accueil d’un « cadeau » (voir chapitre)

·         Dieu nous donne la force dont nous avons besoin, et pardonne nos faiblesses.

 


 

 Ny ambaran’ny sarin’ny Hazo :

·                    Ny tany,  izay mifangaro amin’ny roka  dia ny FO ( teny mifandraika amin’ny fanetren-tena  ilaina handraisana ny tolotra) izay napetrak’Andriamanitra ato amiko dia ny misarika ahy  ahy ho amin’ny tsara, ny marina, ny soa sy ny faniriko Azy.

·                    Ny Faka ( vahatra ) iorenan’ny safidy :

            -Ny fisainana no ahafahako mamolavola fanapahan-kevitra. ny fisainako dia taratry ny soa,ny marina,ny tsara izay napetrak’Andriamanitra ao am-pontsika . Ao am-poko no anovozako hevitra ary eken’ny saiko. Ny fisainako dia manampy  ahy koa hisafidy ny ilaina,mba hahatrarana ny tanjona. Ny tontolo ankehitriny dia mametraka ny saina ao amin’ny fahombiazana,izay tsy sahaza azy akory

 

 

 

 

 

- Ny finoana  dia manazava ny fisainako sy ny fitiavako an’Andriamanitra ka misarika ahy ho amin’ny soa, ny tsara ary ny  marina

·         Ny ranon’orana mampamokatra  dia ireo asa izay apetrako ho fandraisan’anjarako amin’ny famokarana : tanterako ny andraikitro

·         Ny masoandro, raha tsisy azy dia tsy ho afa-mitombo na inona na inona : Andriamanitra izay mitarika ahy, manoro lalana ahy  mamela ahy ary manome ahy hery

·         Ny voan’ny hazo : ny tombony, ny ilàna, ny fahombiazana, ny hafaliana, ny fahafinaretana ; ny fahasambarana ,ireo no vokatry ny asa soa  

 

Dans l'image de l'arbre :

·         Le sol, dans lequel est l'humus (mot dont l'origine est commune avec celui d'humilité, nécessaire pour accueillir ce don), c’est le cœur:

ce que Dieu a mis en moi, mon attirance pour le beau, le vrai et le bien, et mon désir de Lui.

·         Les racines, fondements de mon choix :

o   La raison me permet d’élaborer ma décision. Ma raison aimante se laisse guider par l’attrait du bien, du vrai et du beau que Dieu a mis dans notre cœur. Je puise mes arguments dans mon cœur et mon esprit qui raisonne. La raison me sert aussi pour choisir les moyens pour "réussir", tendre vers l'objectif (Le monde actuel propose de prendre sa raison dans l’efficacité, ce qui ne convient pas)

o   La foi éclaire ma raison et mon amour pour Dieu m'attire vers le bien, le beau et le vrai.

·         La pluie qui féconde, c'est les actes que je pose pour ma  participation active à la fructification : je remplis ma « tâche »

·         Le soleil sans lequel aucune vie ne peut se développer : Dieu, qui me guide, me pardonne et me donne la force.

·         Les fruits de l'arbre : les bénéfices, l'utilité, l'efficacité, la joie, le plaisir, le bonheur sont le résultat d'un acte bon.

 

 


Toko 10 : Andininy notsongaina t@ taratasin’i Md Paoly

Chapitre 10 : Quelques extraits des épitres de Saint-Paul

 

Mpivady, lahy sy vavy

Couple, mari et femme

                                                                                                                                                                                                                                                                                                                              

 

Efez. 5, 31-32

Une seule chair

Eph. 5, 31-32

31- Noho izany, handao ny Ray aman-dreniny ny lehilahy,ka hikambana amin’ny vadiny dia ho nofo iray ihany izy roroa.

[31] Voici donc que l'homme quittera son père et sa mère pour s'attacher à sa femme, et les deux ne feront qu'une seule chair :

32- Misy zava-miafina lehibe amin’io, dia mankamin’izy Krsity sy ny Eglizy no lazaiko

[32] ce mystère est de grande portée ; je veux dire qu'il s'applique au Christ et à l'Eglise.

                                                                               

 

Efez. 5, 21, 25, 33

Homme et femme

Eph. 5, 21, 25, 33

21- Ary mahaiza mifanoa amim-pahatahorana ny  Kristy

[21] Soyez soumis les uns aux autres dans la crainte du Christ.

 

25- Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo toy ny nitiavan’ny Kristy ny Eglizy sy nahafoizany tena ho azy.

[25] Maris, aimez vos femmes comme le Christ a aimé l'Eglise : il s'est livré pour elle,

                                                                                                                                                                                                                                                                                                                              

33- Fa izao : samia hianareo lehilahy tia ny vadiny tahaka ny tenany, ary aoka ny vehivavy hanaja ny vadiny.

[33] Bref, en ce qui vous concerne, que chacun aime sa femme comme soi-même, et que la femme révère son mari.

                                                                               

Ray aman-dreny, zanaka

Parents, enfants

Efez 6, 1-4

Eph. 6,1-4

1- Hianareo zanaka, maneke ao amin’ny Tompo ny Ray aman-dreninareo, fa izany no rariny.

[1] Enfants, obéissez à vos parents, dans le Seigneur : cela est juste.

2- Manaja ny Ray aman-dreninao, io no voalohan-didy misy teny fampanantenana :

[2] Honore ton père et ta mère, tel est le premier commandement auquel soit attachée une promesse :

3- Mba hahita soa sy ho ela velona ety ambonin’ny tany ianao.

[3] pour que tu t'en trouves bien et jouisses d'une longue vie sur la terre.

4- Ianareo Ray aman-dreny kosa, aza mampahatezitra ny zanakareo fa beazo amin’ny famaizana amam-pananarana ao amin’ny Tompo izy.

[4] Et vous, parents, n'exaspérez pas vos enfants, mais usez, en les éduquant, de corrections et de semonces qui s'inspirent du Seigneur.

 


 

Tsy dia resaka ara-pahendrena ihany  fa indrindra koa ady ara-panahy

En fait, ce n’est pas une question morale, mais plutôt un combat spirituel

Efez 6, 12-15

Eph. 6,12-15

12- Fa tsy amin’ny nofo aman-drà no iadiantsika, fa amin’ny fanapahana, amin’ny fahefana, amin’ny Andrian’izao tontolo maizina izao, amin’ny fanahy ratsy eny ambony eny.

[12] Car ce n'est pas contre des adversaires de sang et de chair que nous avons à lutter, mais contre les Principautés, contre les Puissances, contre les Régisseurs de ce monde de ténèbres, contre les esprits du mal qui habitent les espaces célestes.

13-Koa raiso avokoa  ary ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo manohitra amin’ny andro ratsy, dia hijoro ianareo rehefa miala nenina.

[13] C'est pour cela qu'il vous faut endosser l'armure de Dieu, afin qu'au jour mauvais vous puissiez résister et, après avoir tout mis en œuvre, rester fermes.

14- Aza miraika fa sikino fahamarinana ny valahanareo,tafio ny rariny ho fiarovan-tratra.

[14] Tenez-vous donc debout, avec la Vérité pour ceinture, la Justice pour cuirasse,

15- Kiraroy fahavononan-kitory ny Evanjelim-pihavanana ny tongotrareo

[15] et pour chaussures le Zèle à propager l'Evangile de la paix ;

 


 

Toko 11 : Ny lalam-pitondrantena vaovao maneran-tany : Ady atrehan’ny fiangonana

Chapitre 11 : La nouvelle éthique mondiale: défis pour l'Eglise

Famintinana (ny bokin’i Marguerite A. Peeters )

Résumé. D’après les écrits de Marguerite A. Peeters

                                                                                                                                                                                                                                                                                                                     

Misy ny Tsimbaditrafitra ara-tsaina  maneran-tany

Une révolution culturelle mondiale a eu lieu.

                                                                                                                                                                                                                                                                                                                     

Ireo Fambara

Les symptômes

Teny  vaovao :

Fanatontoloana amin’ny maha olona, fifanarahana ; ny zo hisafidy ; ny miralenta, tsikera fanazavana ny soatoavina, ny zon’ny vehivavy,  Sori-dàlana mikasika ny fananahana, ny fanalan-jaza ara- medikaly (fitsaboana)  ; ny fiainam-panahin’ny lahika

Mots nouveaux:

une mondialisation à visage humain, consensus, le droit de choisir, le genre, la clarification des valeurs, les droits des femmes, l'orientation sexuelle, l'avortement médicalisé, la spiritualité laïque,...

Teny nesorina :

ny fahamarinana, ny feon’ny fieritreretana, ny fo, fahavirjiniana, fahadiovana, mpivady, vady ( lahy, vavy, reny, zanaka ( lahy, vavy ) fahefana, ny fitiava-namana, ny fahotana, namana,…,

Mots exclus:

la vérité, la conscience, le cœur, la virginité, la chasteté, époux, mari, épouse, père, mère, fils, fille, l'autorité, la charité, le péché, ami,..

 


                                                                                                                                                                                                                                                                                                                     

Fiovaovan’ny teny

 

Changement de paradigmes:

 

Tonta

Vaovao

 

Classique

Nouveau

Fahefana mahasolo ny vahoaka

Fahefana mandray anjara

 

Démocratie représentative

Démocratie participative

Fahefana

Fahaleovantena sy zon’ny olona

 

Autorité

Autonomie et droits de la personne

Vady

Mpiaramiombon’antoka

 

Conjoints

Partenaires

Izay nomena antsika

Izay aorintsika

 

Ce qui nous est donné

Ce que nous construisons

Ray aman-dreny

Mpamokatra

 

Parents

Reproducteurs

Fitiava-namana

Zo

 

Charité

Droits

Fitoviana  ara-kolotsaina

Fahasamihafana  ara-kolotsaina

 

Identité culturelle

Diversité culturelle

Maro an’isa

Fifanarahana

 

Majorité

Consensus

lahy sy vavy

Endri-manavaka (jereo tahirin-kevitra ( vavy sy lahy

 

Masculinité et féminité

Genre (voir document sur masculinité et féminité)

 

Ireo fambara lehibe

Les principaux symptômes

Tsy misy fahamarinana na dia iray aza heverina ho raikitra amin’izay  raisintsika

Aucune vérité n’est considérée comme quelque chose de fixé, que nous recevons

Fandravana ny fitenenana, ny rafitra

Déconstruction du langage, des institutions

Tsy misy antso ho amin’ny fitiavana marina sy ny fahafoizana

Pas d’appel à l’amour vrai, à la gratuité

Tsy misy ny fifanekena ( fifanarahana ihany )

Pas d’alliance (seulement des contrats)

                                                                                                      

Ny aretina

La maladie

Ny fototry ny  haim-pitondrantena vaovao maneran-tany  dia maneho fa ny zavamisy rehetra dia fananganana  fiaraha-monina. 

Ka ny fahamarinana sy ny zava-misy dia tsy manana toetra raikitra sy kinendry 

Le principe de base de la nouvelle éthique mondiale, c'est que chaque réalité est une construction sociale, que la vérité et la réalité n'ont pas de contenu stable et objectif.

Ny tohin’ny fihavaozana dia manandratra ny fiandrianana  boraingon’ny  tsirairay sy ny zony  hisafidy.

La postmodernité exalte la souveraineté arbitraire de l'individu et de son droit de choisir.

Ny fitondrantena vaovao dia manindrahindra ny elanelana, ny fahasamihafan’ny safidy, ny kolotsaina, ny fahalalahana ara- tsaina ny fahafahana ara-pananahana ( fironana ara-pananahana ).

Izany fanindrahindrana izany dia mitory fahafahana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy manoloana ireo fepetra naharian’Andriamanitra izay nametrahana azy ireo.

L'éthique mondiale postmoderne célèbre les différences, la diversité des choix, la diversité culturelle, la liberté culturelle, la diversité sexuelle (différentes orientations sexuelles). Cette «célébration» est en fait celle de la «libération» de l'homme et la femme des conditions d'existence dans laquelle Dieu les a placés.

 


                                                                                                                                                                                                                                                                                                                     

Fitsimbinana ( Fanampiana )

Tsy manana ahiahy amin’ny fitsimbinanan’Andriamanitra mihintsy ny kristianina  na inona mitranga maneran-tany. Nantsoina izy ireo mba handanjalanja ny famantarana avy amin’ny Fanahy Masina ao anatin’ny Kolotsaina vaovao sy mampiely izany, ka manolotra  tetika handravana ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Fikarohana matotra mikasika ny tsimbadidrafitry ny kolotsaina  manerantany

Providence
Les Chrétiens ne peuvent pas mettre en doute la providence de Dieu sur les événements du monde. Ils sont appelés à discerner les signes de l'action de l'Esprit Saint dans la nouvelle culture et à l'évangéliser, offrant ainsi une alternative à la déconstruction postmoderne.
Une étude sérieuse de la révolution culturelle mondiale, en tant que contenu et en tant que processus, est nécessaire pour permettre aux chrétiens d'exercer leurs responsabilités.

                                                                                                      

Fikarakarana 

Traitement

Mandray ny aina toy ny fanomezana avy amin’Andriamanitra

 

Miasa mba ho haitontolon’ny olombelona

 

Mampianatra ny fitsipiky ny fiainana

 

Recevoir la vie comme un don que nous fait Dieu



Travailler pour une écologie humaine

 

Enseigner la grammaire de la vie

 

 


References



[i] JPII, Miséricorde divine, 14

[ii] Amour dans la vérité, Benedict XVI, 48

[iii] Compendium de la doctrine sociale de l’Eglise, 466

[iv] Benedict XVI, Amour dans la vérité, 51

[v] Jean-Paul II Centesimus annus, 39

[vi] Cf. Concile Vatican II, Constitution Gaudium et Spes, 48

[vii] Jean Paul II, Exhortation Apostolique Christifideles Laici, 40: AAS 81 (1989), 469

[viii] Message de Benedict XVI pour la célébration du jour mondial de la Paix 1 Janvier 2008, 3

[ix] Jean-Paul II Centesimus annus, 39

[x] Jean-Paul II Lettre aux familles, 10

[xi] John Paul II, Letter to Families Gratissimam Sane, 11

[xii] John Paul II, Letter to Families Gratissimam Sane, 6

[xiii] Compendium of the social doctrine of the Church, 242

[xiv] Mulieris Dignitatem, 18

[xv] Mulieris Dignitatem, 18

[xvi] Karol Wojtyla, Love and Responsibility

[xvii] Karol Wojtyla, Amour et responsabilité, 160

[xviii] Gaudium et Spes, 49

[xix] Aristotle Ethique à Nicomache

[xx] Thomas d’Aquin Contra Gentiles, 90

[xxi] John Paul II, Lettre aux Familles, 10

[xxii] Livio Melina, Appelés à aimer, préface

[xxiii] Partager des vertus du Christ: pour un renouveau de la théologie morale à la lumière de Veritatis splendor,  Livio Melina